FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • hf fizarana 1 hevitra 1-3
  • Miantehera Amin’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miantehera Amin’Andriamanitra
  • Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • 1 EKEO NY ANDRAIKITRA NOMEN’I JEHOVAH ANAO
  • 2 MIEZAHA MAFY MBA TSY HAMPALAHELO NY VADINAO
  • 3 MIEZAHA HIFANARA-TSAINA
  • Hajao ny Vadinao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Aza Mivadika Amin’ny Vadinao
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Ahoana no Ifandraisana Tsara Amin’ny Havana?
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Vahaolana Mahomby ho An’ny Mpivady
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
hf fizarana 1 hevitra 1-3
Lehilahy sy vehivavy amin’ny andro fampakaram-badiny

FIZARANA 1

Miantehera Amin’Andriamanitra

“Izay namorona ny olona, dia nanao azy ho lahy sy vavy.”—Matio 19:4

I Jehovaha Andriamanitra no nanao ny fanambadiana voalohany. Milaza ny Baiboly fa “nentiny ho any amin-dralehilahy” ilay vehivavy voalohany, rehefa avy noforoniny. Nahatsiaro ho sambatra i Adama ka hoy izy: “Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko.” (Genesisy 2:22, 23) Mbola tian’i Jehovah ho sambatra koa ny mpivady ankehitriny.

Manantena ny olona rehefa manambady hoe handeha tsara ny zava-drehetra. Hisy olana ihany anefa eo amin’ny mpivady, na dia mifankatia be aza izy ireo. (1 Korintianina 7:28) Hanampy anareo mivady sy ny zanakareo mba ho sambatra ny toro lalan’ny Baiboly omena ato, raha ampiharinareo.—Salamo 19:8-11.

1 EKEO NY ANDRAIKITRA NOMEN’I JEHOVAH ANAO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Ny lehilahy no lohan’ny fianakaviana.—Efesianina 5:23.

Ry lehilahy, tian’i Jehovah hikarakara amim-pitiavana ny vadinao ianao. (1 Petera 3:7) Nomen’i Jehovah ho famenon’ny lehilahy ny vehivavy, ary iriny ho tia sy hanisy vidiny ny vadiny ny lehilahy. (Genesisy 2:18) Tokony ho tianao be ny vadinao, ka izay hahasoa azy aloha no hataonao, izay vao ny hahasoa anao.—Efesianina 5:25-29.

Ry vehivavy, tian’i Jehovah hanaja fatratra ny vadinao ianao ary hanampy azy hahavita ny andraikiny. (1 Korintianina 11:3; Efesianina 5:33) Ekeo ny fanapahan-keviny ary ampio amin’ny fonao manontolo izy mba hahombiazan’izany. (Kolosianina 3:18) Hahafinaritra ny vadinao ianao amin’izay, sady hahafinaritra an’i Jehovah.—1 Petera 3:1-6.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Anontanio ny vadinao hoe inona no azonao atao mba ho vady tsara kokoa ianao. Henoy tsara izy ary ataovy izay azonao atao mba hihatsarana

  • Manàna faharetana. Elaela ianao vao hahalala izay azonao atao mba hahasambatra ny vadinao, ary toy izany koa izy

2 MIEZAHA MAFY MBA TSY HAMPALAHELO NY VADINAO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Mila mihevitra izay hahasoa ny vadinao ianao. (Filipianina 2:3, 4) Asehoy aminy fa sarobidy izy, ary tadidio fa tian’i Jehovah “halemy fanahy amin’ny rehetra” ny mpanompony. (2 Timoty 2:24) Eritrereto tsara izay holazainao, satria ‘toy ny fanindron’ny sabatra ny teny tsy voahevitra, fa ny tenin’ny hendry kosa manasitrana.’ (Ohabolana 12:18) Hanampy anao hahay hiteny amin-katsaram-panahy sy amim-pitiavana ny fanahin’i Jehovah.—Galatianina 5:22, 23; Kolosianina 4:6.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Mivavaha mba ho tony sy ho vonona hihaino ny hevitry ny vadinao, rehefa misy zava-dehibe horesahinao

  • Eritrereto tsara izay holazainao sy ny fomba hilazanao azy

3 MIEZAHA HIFANARA-TSAINA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Lasa “nofo iray” ianao sy ny vadinao rehefa mivady. (Matio 19:5) Mbola olona roa samy hafa anefa ianareo ka mety tsy hitovy hevitra. Mila mianatra mifanara-kevitra sy miombom-pihetseham-po àry ianareo. (Filipianina 2:2) Tena ilaina izany rehefa hanapa-kevitra. Hoy ny Baiboly: “Ho tanteraka izay kasaina raha misy mpanolo-tsaina.” (Ohabolana 20:18) Araho ny toro lalan’ny Baiboly rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe ianareo mivady.—Ohabolana 8:32, 33.

Mpivady iray miara-manahy lamba sy miara-manasa vilia

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Resaho amin’ny vadinao ny fihetseham-ponao, fa tsy ny zava-misy sy ny eritreritrao fotsiny

  • Miresaha amin’ny vadinao alohan’ny hanekena hanao zavatra iray

a Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.

MAHAIZA MANDANJALANJA ARY MATOKIA FA HAHOMBY IANAREO

Aza manantena hoe ho tonga lafatra ianao na ny vadinao. (Salamo 103:14; Jakoba 3:2) Mifantoha kosa amin’ny toetra tsarany. Matokia fa hisy vokany tsara ny fanarahana ny toro lalan’ny Baiboly, ary manàna faharetana. (2 Timoty 3:16) Hamaly soa anao i Jehovah raha miezaka mankatò ny toroheviny ianao, ary hihamifankatia foana ianareo mivady rehefa mandeha ny fotoana.—Galatianina 6:9.

ERITRERETO IZAO:

  • Tsapan’ny vadiko ve fa izay hahasoa azy no eritreretiko kokoa noho izay hahasoa ahy?

  • Inona no nataoko androany mba hampisehoana fa tiako sy hajaiko ny vadiko?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara