FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • hf fizarana 2 hevitra 1-2
  • Aza Mivadika Amin’ny Vadinao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Mivadika Amin’ny Vadinao
  • Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • 1 AZA ATAO TSIRAMBINA MIHITSY NY FANAMBADIANAO
  • 2 AROVY NY FONAO
  • Miantehera Amin’Andriamanitra
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Aoka Ianao Hitana ny Voady Nifanaovanareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Hajao ny Vadinao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ahoana no Ifandraisana Tsara Amin’ny Havana?
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
Hijery Hafa
Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
hf fizarana 2 hevitra 1-2
Lehilahy iray manokatra ny varavaran’ny fiara mba hidiran’ny vadiny sady mampielo azy

FIZARANA 2

Aza Mivadika Amin’ny Vadinao

‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Marka 10:9

Tian’i Jehovah tsy hivadika isika. (Salamo 18:25) Tena ilain’ny mpivady io toetra io, satria tsy afaka ny hifampatoky ny mpivady raha tsy samy olona tsy mivadika. Tena ilaina anefa ny mifampatoky raha te hifankatia kokoa.

Tsy mora ny miezaka ny tsy hivadika amin’ny vady ankehitriny. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao ireto zavatra roa ireto ianao, raha te hiaro ny fanambadianao:

1 AZA ATAO TSIRAMBINA MIHITSY NY FANAMBADIANAO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Anisan’ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao ny fanambadianao, ka aza atao tsirambina mihitsy.

Tian’i Jehovah raha ny vadinao no ahinao voalohany. Asainy miaraka ‘mankafy ny fiainana’ koa ianareo. (Mpitoriteny 9:9) Milaza mazava izy fa tsy tokony hanao tsirambina ny vadinao ianao, ary samy tokony hiezaka hitady fomba ampifaliana ny andaniny avy ianareo. (1 Korintianina 10:24) Ataovy tsapany hoe ilainao izy sady tianao.

Lehilahy iray mitondra dite mafana ho an’ny vadiny; lehilahy iray tonga ao an-trano ary mahita ny vadiny manao sakafo

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Manokàna foana fotoana hiarahana, ary aza mieritreritra zavatra hafa amin’iny fotoana iny

  • Asio fiheverana foana ny vadinao

Mpivady iray any am-pitsangantsanganana ary miara-misakafo

2 AROVY NY FONAO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Matio 5:28) Azo lazaina hoe mivadika amin’ny vadiny ny olona iray, raha mieritreritra zava-dratsy foana.

Hoy i Jehovah: “Arovy ny fonao.” (Ohabolana 4:23; Jeremia 17:9) Ilaina ny mifehy ny maso mba hiarovana ny fo. (Matio 5:29, 30) Manahafa an’i Joba. Nanao fifanekena tamin’ny masony izy mba tsy hijerijery vehivavy hafa. (Joba 31:1) Aoka ianao ho tapa-kevitra tsy hijery sary vetaveta mihitsy. Tokony ho tapa-kevitra koa ianao hoe tsy ho raiki-pitia amin’olon-kafa ankoatra ny vadinao.

Lehilahy iray any am-piasana, ary misy sarin’ny vadiny eo amin’ny latabany

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Ataovy fantatry ny olona hoe an’ny vadinao irery ianao

  • Hevero ny fihetseham-pon’ny vadinao, ka tapaho avy hatrany ny fifandraisanao amin’ny olona iray raha tsy azoazon’ny vadinao ilay izy

ATAOVY IZAY TOKONY HATAONAO

Mandiniha tena amin’ny saina tsy miangatra, ka fantaro izay tokony hahitsinao. (Salamo 15:2) Aza menatra mangataka fanampiana. (Ohabolana 1:5) Raha manana eritreri-dratsy ianao, dia miezaha foana hanala an’ilay izy ao an-tsainao. Aza kivy. (Ohabolana 24:16) Hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao mba tsy hivadika amin’ny vadinao.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no azoko atao mba hananako fotoana betsaka kokoa hiarahana amin’ny vadiko?

  • Ny vadiko ve no namako akaiky indrindra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara