FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 10 p. 28-p. 29 feh. 7
  • Nankany Jerosalema i Jesosy sy ny Fianakaviany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nankany Jerosalema i Jesosy sy ny Fianakaviany
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo dia nankany Jerosalema
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Fandehanana nankany Jerosalema
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Jesosy Tamin’izy Ankizilahikely
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Jesosy Zaza tao Amin’ny Tempoly
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 10 p. 28-p. 29 feh. 7
I Jesosy tamin’izy 12 taona, manontany an’ireo mpampianatra ao amin’ny tempoly

TOKO 10

Nankany Jerosalema i Jesosy sy ny Fianakaviany

LIOKA 2:40-52

  • NANONTANY AN’IREO MPAMPIANATRA I JESOSY TAMIN’IZY 12 TAONA

  • NIANTSO AN’I JEHOVAH HOE ‘RAINY’ I JESOSY

Lohataona tamin’izay. Tonga ny fotoana handehanan-dry Josefa sy ny namany ary ny havany tany Jerosalema mba hankalaza ny Paska, araka ny notakin’ny Lalàna. Fanaon-dry Josefa isan-taona izany. (Deoteronomia 16:16) Tokotokony ho 120 kilaometatra avy teo Nazareta i Jerosalema. Be atao sy falifaly ny rehetra amin’io. Efa 12 taona i Jesosy, ary tena tsy andriny ilay fety sy ilay ho any akaikin’ny tempoly indray.

Tsy vita iray andro ny Paska, ho an’i Jesosy sy ny fianakaviany. Ny ampitson’ny Paska no “andro voalohan’ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay”, izay naharitra fito andro. (Marka 14:12) Noheverina ho anisan’ny Paska izy io. Tapa-bolana teo ho eo àry ny dia niala avy tao Nazareta nankany Jerosalema, sy ny fijanonana tao Jerosalema, ary ny dia niverina. Ela kokoa anefa ilay dia tamin’ity indray mandeha ity, noho ny zava-nitranga nisy ifandraisany tamin’i Jesosy. Nisy olana mantsy rehefa teny an-dalana hody.

DIA NAHAFINARITRA

I Jesosy sy ny fianakaviany, eny an-dalana ho any Jerosalema

Nahafaly ny rehetra ireo dia nankany Jerosalema isaky ny hanatrika an’ireo fety telo fanao isan-taona. (Deoteronomia 16:15) Nianatra ny mombamomba an’ilay faritra sy ny toerana samihafa tany i Jesosy tamin’ireny dia ireny. Nihaona tamin’ny mpanompon’Andriamanitra avy any amin’ny faritra hafa koa izy. Namela fahatsiarovana mamy ireny dia ireny!

Nihevitra i Josefa sy Maria teny an-dalana avy tany Jerosalema hoe niara-dia tamin’ny havany sy ny namany i Jesosy. Tsy hitan’izy mivady anefa izy rehefa nijanona ry zareo tamin’ny alina. Notadiaviny tany amin’ireo niara-dia taminy i Jesosy, nefa tsy tany. Tsy hita izay nisy azy. Niverina tany Jerosalema i Josefa sy Maria mba hitady azy.

Nitady an’i Jesosy nandritra ny iray andro maninjitra izy ireo fa tsy nahita. Toy izany koa tamin’ny andro faharoa. Tamin’ny andro fahatelo vao hitan’izy ireo ilay zanany lahy, tao amin’ny tempoly, izay nisy efitra maro. Nipetraka teo afovoan’ireo mpampianatra jiosy i Jesosy. Nihaino izy sady nanontany, ary nahagaga an’ireo mpampianatra ny fahaizany.

I Josefa sy Maria mahita an’i Jesosy

Hoy i Maria: “Fa nahoana ianao, anaka, no manao anay toy izao? Jereo fa tena nitebiteby be nitady anao izaho sy rainao.”—Lioka 2:48.

Gaga i Jesosy hoe tsy fantatr’izy ireo izay nisy azy. Hoy izy: “Fa maninona no nitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?”—Lioka 2:49.

Tafaraka indray izy ireo, ary niara-nody tamin’i Josefa sy Maria tany Nazareta i Jesosy. Nankatò azy ireo foana izy, ary nitombo fahendrena sy nihalehibe. Nahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy ny olona izy, na dia mbola kely aza. Namela ohatra tsara tokoa i Jesosy nanomboka tamin’izy mbola kely, satria tia ny Soratra Masina sady nanaja ray aman-dreny.

  • Nankaiza i Jesosy sy ny fianakaviany isaky ny lohataona, ary nahoana?

  • Inona no tsikaritr’i Josefa sy Maria rehefa teny an-dalana hody avy tany Jerosalema ry zareo, tamin’i Jesosy 12 taona? Taiza no nahitan’izy ireo an’i Jesosy?

  • Inona no ohatra tsara navelan’i Jesosy ho an’ny ankizy sy ny tanora ankehitriny?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara