FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 45 p. 114-p. 115 feh. 3
  • Nahavita Nifehy Demonia Maro i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahavita Nifehy Demonia Maro i Jesosy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Olona iray tsy nampoizina ho tonga mpianatra
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Tsy nisy na inona na inona nahitana fa ho mpianatra izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Andian-tafika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kisoa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 45 p. 114-p. 115 feh. 3
Manatona an’i Jesosy ny lehilahy iray misy demonia maro

TOKO 45

Nahavita Nifehy Demonia Maro i Jesosy

MATIO 8:28-34 MARKA 5:1-20 LIOKA 8:26-39

  • NALEFANY TAO ANATY KISOA IREO DEMONIA

Tody teo amoron-drano ny mpianatr’i Jesosy taorian’ilay tafiotra. Taitra be izy ireo, satria nihazakazaka nanatona an’i Jesosy ny lehilahy roa nahery setra be sy nisy demonia. Avy teny amin’ny fasana teo akaiky teo izy ireo. Ny iray ihany no tena noresahina, satria angamba nahery setra kokoa sady efa ela kokoa no nisy demonia.

Nampalahelo io lehilahy io. Nandehandeha tsy niakanjo izy sady ‘niantsoantso mafy tsy an-kijanona teny am-pasana sy teny an-tendrombohitra, na andro na alina, ary nodidididiany tamin’ny vato ny tenany.’ (Marka 5:5) Nahery setra be izy ka natahotra ny handalo teny akaiky teny ny olona. Efa nisy nanandrana namatotra azy, nefa notapahiny ny rojo vy ary nopotipotehiny ny gadra vy tamin’ny tongony. Tsy nisy nahafehy azy.

Nanatona an’i Jesosy ilay lehilahy ary niankohoka teo an-tongony. Nataon’ireo demonia nikiakiaka àry izy ka niteny hoe: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa, ry Jesosy Zanak’ilay Andriamanitra Avo Indrindra? Miangavy anao aho hianiana amin’ny anaran’Andriamanitra mba tsy hampijaly ahy.” Nasehon’i Jesosy fa manana fahefana amin’ny demonia izy, ka hoy izy: “Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.”—Marka 5:7, 8.

Demonia maro no nifehy an’ilay lehilahy. Rehefa nanontany i Jesosy hoe: “Iza no anaranao?”, dia hoy izy: “Andian-tafika no anarako, satria maro izahay.” (Marka 5:9) Nisy miaramila an’arivony ny andian-tafika romanina. Demonia maro àry no nifehy an’ilay lehilahy, ka faly erỳ nahita azy nijaly. Niangavy an’i Jesosy izy ireo “mba tsy handidy ny handefasana azy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka.” Toa efa fantatr’izy ireo ny miandry azy sy Satana filohany.—Lioka 8:31.

Andiana kisoa nirifatra nankeo amin’ny hantsana ka nianjera tany an-dranomasina

Nisy kisoa 2 000 teo ho eo nandrasana teo akaiky teo. Nilaza ny Lalàna fa biby maloto ny kisoa ary tsy tokony hompian’ny Jiosy. Hoy ireo demonia: “Mba avelao hiditra ao amin’iretsy kisoa iretsy izahay.” (Marka 5:12) Nanaiky i Jesosy ka niditra tao amin’ireo kisoa izy ireo. Nirifatra nankeo amin’ny hantsana àry ireo kisoa rehetra ka nianjera tany an-dranomasina ary maty.

Nahita izany ireo mpiandry kisoa, ka nihazakazaka nitantara izany tany an-tanàna sy tany ambanivohitra. Tonga nijery izay nitranga ny olona. Rehefa tonga izy ireo, dia nahita fa efa sitrana ilay lehilahy nivoahan’ny demonia ary salama saina tsara. Efa niakanjo izy ary nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy!

I Jesosy mandidy an’ilay lehilahy nisy demonia mba hody ary hiresaka amin’ny havany momba ny nahasitranany

Natahotra be ny olona, na ireo nandre izay nitranga na ireo nahita an’ilay lehilahy. Tsy fantany mantsy izay mbola hataon’i Jesosy. Nasain’izy ireo niala tao amin’ilay faritra àry izy. Rehefa niakatra tao an-tsambokely i Jesosy, dia niangavy ny hiaraka taminy ilay lehilahy nivoahan’ny demonia. Hoy anefa i Jesosy: “Modia any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay rehetra nataon’i Jehovah taminao sy ny namindrany fo taminao.”—Marka 5:19.

Fanaon’i Jesosy ny mandrara an’izay nositraniny mba tsy hitantara amin’iza na iza. Tsy tiany mantsy raha tatitra mampitolagaga no hahatonga ny olona hino azy. Tsy izany anefa no nataony tamin’ilay lehilahy nivoahan’ny demonia. Izy io mantsy no porofo tsy azo lavina fa mahery i Jesosy. Afaka nitantara an’izay nitranga tamin’ireo olona tsy tafahaona tamin’i Jesosy izy. Raha misy manao tatitra diso momba ny nahafatesan’ireo kisoa koa, dia ho afaka hanaporofo ilay lehilahy hoe tsy marina ilay izy. Lasa àry izy nandeha eran’i Dekapolisy ka nitantara an’izay nataon’i Jesosy taminy.

  • Ny iray tamin’ireo lehilahy roa nisy demonia ihany no tena noresahina. Nahoana?

  • Inona no fantatr’ireo demonia fa miandry azy?

  • Nahoana ilay lehilahy nivoahan’ny demonia no nasain’i Jesosy nitantara izay natao taminy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara