FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/8 p. 8-9
  • Tsy nisy na inona na inona nahitana fa ho mpianatra izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy nisy na inona na inona nahitana fa ho mpianatra izy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Olona iray tsy nampoizina ho tonga mpianatra
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nahavita Nifehy Demonia Maro i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Kisoa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Andian-tafika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/8 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Tsy nisy na inona na inona nahitana fa ho mpianatra izy

FAHITAN-JAVATRA mampitahotra tokoa no niandry an’i Jesosy teo am-pialany sambo! Nisy lehilahy roa azom-pahasiahana tsy fahita matetika nivoaka avy eo amin’ny toeram-pandevenana teo akaiky teo, ka nihazakazaka nanatona azy: azon’ny demonia izy ireo. Mifantoka indrindra amin’ilay anankiray aminy ny saina, satria azo inoana fa naherisetra lavitra noho ilay hafa izy io, sady efa ela kokoa no nanandevozan’ny demonia azy.

Efa an-taonany maro no niainan’io lehilahy mampalahelo io tsy nitafy teny amin’ny fasana. Na andro na alina dia tsy tapaka ny niantsoantso izy sady niteti-tena tamin’ny vato. Romotra loatra izy ka tsy nisy sahy nandeha tamin’izany lalana izany. Efa nandramana ihany ny namatotra azy, nefa voatsoakany ny rojo ary notapahany ny gadra vy tamin’ny tongony. Tsy nisy olona nahafolaka azy.

Rehefa nanatona an’i Jesosy ilay lehilahy ka niantoraka teo an-tongony, ireo demonia nifehy azy dia nampiantsoantso azy toy izao: “Moa mifaninona akory izaho sy hianao, ry Jesosy, Zanak’Andriamanitra Avo Indrindra ô? Ampianianiko amin’Andriamanitra hianao, aza mampijaly ahy.”

“Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto!” hoy ny fanantitranteran’i Jesosy. Nefa avy eo dia nanontany izy hoe: “Iza moa no anaranao?”

“Legiona no anarako, satria maro izahay.” Finaritra mahita ny fijalian’ny olona mampalahelo azony ny demonia ka, amin-kanosana, dia hita miharihary fa tiany ny mikambana maromaro hanohitra ny tokana. Teo anatrehan’i Jesosy kosa, dia nitalaho mafy izy ireo mba tsy halefa any amin’ny lavaka tsy hita noanoa. Izany dia mbola manipika indray mandeha koa fa manana fahefana lehibe Jesosy, izy izay nandresy na dia ireo demonia lozabe aza. Izany koa dia mampiseho fa fantatry ny demonia ny fitsarana atokan’Andriamanitra ho azy amin’ny farany, dia ny fanipazana azy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa miaraka amin’ny filohany, dia Satana Devoly.

Tsy lavitra teo, dia nisy andiana kisoa tokony ho roa arivo teo ny isany, nandrasana teo amin’ny lafin’ny tendrombohitra. Nangataka ireo demonia hoe: “Alefaso izahay ho any anatin’ny kisoa mba hiditra any aminy.” Miharihary fa mahita karazana fahafinaretana maharikoriko sy feno habibiana, amin’ny fidirana ao anatin’ny tenan’ny zavaboary misy nofo ny demonia. Rehefa navelan’i Jesosy hidirany ny kisoa roa arivo, dia azon-tahotra kosa ireo biby ka nitratrevatreva avy teny amin’ny hantsana ka maty tany an-dranomasina.

Teo anoloan’izany, dia nihazakazaka nilaza ny zava-niseho tao an-tanàna sy tany an-tsaha ny mpiambina. Tamin’izay dia nivoaka ny olona mba hijery izay nitranga. Inona no hitany teo am-pahatongavana? Ilay lehilahy nivoahan’ny demonia, miakanjo sady salama saina, nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy!

Ny vavolombelona nanatri-maso dia nanazava tamin’ny hafa ny fomba nanasitranana azy. Noresahany koa ny fiafarana hafahafa nahazo ireo kisoa. Raiki-tahotra izy rehetra raha nandre izany ka niangavy mafy an’i Jesosy mba handao ny faritaniny. Nanaiky ny fangatahany Jesosy ary niondrana tao an-tsambo. Ilay demoniaka teo aloha kosa dia nitalaho mba hamela azy hiaraka aminy. Nefa hoy Jesosy taminy: “Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao ka lazao izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo [Jehovah, MN ] taminao sy namindrany fo taminao”.

Matetika Jesosy dia mandidy an’ireo izay nositraniny mba tsy hilazalaza izany amin’ny olona, satria tsy tiany ny hanatsoahan’ny olona hevitra miorina amin’ny fitantarana mahatalanjona. Nefa fahendrena ity fanavahana nataony ity satria ilay lehilahy nafahana tamin’ny demonia, dia hanao fanambarana amin’ny olona izay, azo inoana, fa tsy ho azon’i Jesosy tratrarina intsony. Ankoatr’izany, ny fanatrehany fotsiny dia hanaporofo fa nanana fahefana hanao ny tsara Jesosy, ka hanafoana izay mety ho fitantarana rehetra mifanohitra amin’ny zava-misy mety hiely momba ny namoizana an’ireo kisoa.

Nifanaraka tamin’ny didin’i Jesosy, dia niverina tany aminy ilay demoniaka teo aloha. Nanomboka nitory tany Dekapolisy izay zavatra rehetra nataon’i Jesosy taminy izy, ka talanjona noho izany ny olona. Matio 8:28-34; Marka 5:1-20; Lioka 8:26-39; Apokalypsy 20:1-3.

◆ Nahoana, raha ny tena marina, no nifantoka tamin’ilay demoniaka iray ihany ny saina kanefa nisy roa teo?

◆ Inona no mampiseho fa fantatry ny demonia izay miandry azy ireo ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa?

◆ Miharihary fa nahoana no tian’ny demonia ny miditra ao anatin’ny olona sy ny biby?

◆ Nahoana Jesosy no nanao zavatra niavaka tamin’ilay lehilahy nafahany tamin’ny demonia, raha nilaza taminy mba hitantara amin’ny hafa izay nataony ho azy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara