TOKO 2
Ekeo ny Anjara Asan’i Kristy eo Amin’ny Fikasan’Andriamanitra
“TANY am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Gen. 1:1) “Tena tsara” ny zavatra rehetra nataony, anisan’izany ny olombelona. (Gen. 1:31) Tian’i Jehovah hanana hoavy mahafinaritra izy ireo. Lasa tsy sambatra intsony anefa izy ireo noho ilay fikomiana tany Edena. Na izany aza, dia tsy niova ny fikasan’i Jehovah momba ny tany sy ny olombelona. Nilaza Andriamanitra fa hahazo famonjena izay mankatò amin’ny taranak’i Adama. Haverina amin’ny laoniny ny fivavahana marina, ary horinganin’Andriamanitra i Satana Devoly sy ny asa ratsiny. (Gen. 3:15) Ho lasa “tena tsara” toy ny tany am-boalohany indray ny zava-drehetra amin’izay. Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany no hanatanterahan’i Jehovah an’izany. (1 Jaona 3:8) Tsy maintsy ekentsika àry ny anjara asan’i Kristy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra.—Asa. 4:12; Fil. 2:9, 11.
INONA NO ANJARA ASAN’I KRISTY?
2 Fantatsika fa misy lafiny maro ny anjara asan’i Kristy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra. Mpanavotra ny olombelona izy, Mpisoronabe, Lohan’ny fiangonana kristianina, ary efa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ankehitriny. Vao mainka isika hankasitraka ny fandaharan’Andriamanitra sy ho tia an’i Kristy Jesosy, raha misaintsaina an’ireo anjara asany ireo. Miresaka ny sasany amin’ny anjara asan’i Jesosy ny Baiboly.
Manana anjara asa lehibe i Jesosy eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah momba ny olombelona
3 Niharihary nandritra ny fanompoan’i Kristy teto an-tany fa amin’ny alalany no hahafahan’ny olombelona mankatò hifandray tsara amin’Andriamanitra indray. (Jaona 14:6) Mpanavotra ny olombelona i Jesosy, ka nanolotra ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro. (Mat. 20:28) Tsy vitan’ny hoe modely amin’ny fitondran-tena tsara àry izy, fa manana anjara asa lehibe koa amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah momba ny olombelona. Tsy ho afaka hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, raha tsy amin’ny alalany. (Asa. 5:31; 2 Kor. 5:18, 19) Noho i Jesosy nanome ny ainy sy efa natsangana tamin’ny maty, dia ho afaka hiaina mandrakizay ny olona mankatò rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra.
4 Mpisoronabe koa i Jesosy, ka “mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika”, ary afaka manolotra sorona fampihavanana noho ny fahotantsika. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny antsika tsy hoe mpisoronabe tsy mba mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika, fa mpisoronabe efa notsapaina tamin’ny zavatra rehetra hoatr’antsika koa, nefa tsy nanota.” Nampirisihin’i Paoly ireo mino an’i Jesosy Kristy, mba hanararaotra an’ilay fandaharana nataon’Andriamanitra hihavanana aminy indray. Hoy izy: “Andao àry isika hanatona ny seza fiandrianan’ilay Andriamanitra maneho hatsaram-panahy miavaka, sady ho sahy hiteny rehefa manao an’izany. Amin’izay isika hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy miavaka, mba hanampiana antsika amin’ny fotoana mety.”—Heb. 4:14-16; 1 Jaona 2:2.
5 Lohan’ny fiangonana kristianina koa i Jesosy. Tsy mila mpitarika olombelona àry isika, toy ny mpianany fahiny ihany. Omen’i Jesosy toromarika isika amin’ny alalan’ny fanahy masina sy ny mpiandry lefitra. Mbola hampamoahin’i Jesosy sy ilay Rainy any an-danitra ireny mpiandry ireny, arakaraka ny fomba itondrany ny andian’ondry. (Heb. 13:17; 1 Pet. 5:2, 3) Hoy i Jehovah momba an’i Jesosy: “Nataoko vavolombelona eo amin’ireo firenena izy, sady mpitarika sy mpitondra an’ireo firenena.” (Isaia 55:4) Nasehon’i Jesosy fa tanteraka io faminaniana io, rehefa nilaza tamin’ny mpianany izy hoe: “Aza mety hantsoina hoe mpitarika, fa iray ihany ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.”—Mat. 23:10.
6 Nasehon’i Jesosy hoe tsara fanahy izy sady vonona hanampy antsika, ka hoy izy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mitondra enta-mavesatra, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Mat. 11:28-30) Tsara fanahy i Jesosy Kristy rehefa mikarakara ny fiangonana kristianina, ary ataony mamelombelona izany. Hita mihitsy hoe “mpiandry tena tsara” izy, toa an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Rainy any an-danitra.—Jaona 10:11; Isaia 40:11.
7 Nanazava lafiny hafa amin’ny anjara asan’i Jesosy Kristy i Paoly, tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina. Hoy izy: “Tsy maintsy manjaka izy, mandra-panaon’Andriamanitra ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony. Fa rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra, dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.” (1 Kor. 15:25, 28) I Jesosy no noforonin’Andriamanitra voalohany, ary “mpiasa tena mahay” niaraka tamin’Andriamanitra izy talohan’ny nahatongavany teto an-tany. (Ohab. 8:22-31) Nanao ny sitrapon’Andriamanitra foana izy tetỳ. Niaritra fitsapana faran’izay mafy izy, ary tsy nivadika tamin’ny Rainy mandra-pahafatiny. (Jaona 4:34; 15:10) Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izy satria tsy nivadika mihitsy, ary notendreny ho Mpanjakan’ny Fanjakany any an-danitra. (Asa. 2:32-36) Notendren’Andriamanitra hitarika anjely mahery an’aliny koa izy, mba hanala ny fitondran’olombelona sy ny faharatsiana rehetra eto an-tany. (Ohab. 2:21, 22; 2 Tes. 1:6-9; Apok. 19:11-21; 20:1-3) Io Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra io ihany no hanjaka eran-tany aorian’izay.—Apok. 11:15.
INONA NO DIKAN’NY HOE MANAIKY NY ANJARA ASAN’I JESOSY?
8 Lavorary i Jesosy Kristy, ilay Modelintsika. Nirahina hikarakara antsika izy, ary ataony amim-pitiavana izany. Tsy tokony hivadika amin’i Jehovah mihitsy isika, raha te handray soa avy amin’izany, sady tokony haharaka ny fandrosoan’ny fandaminany foana.
9 Nanaiky tanteraka ny anjara asan’i Kristy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra ny mpanara-dia azy, tamin’ny taonjato voalohany. Niara-niasa sy niray saina mantsy izy ireo sady nanaiky ny fitarihan’i Kristy, izany hoe nanaraka ny toromarika nomeny tamin’ny alalan’ny fanahy masina. (Asa. 15:12-21) Hita hoe niray saina ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, araka ity tenin’ny apostoly Paoly ity: “Milaza ny marina ... isika, dia andao hitombo amin’ny lafiny rehetra noho ny fitiavana, ka hanahaka an’i Kristy, ilay lohan’ny vatana. Izy no mahatonga ny vatana manontolo ho tafakambana tsara sy hiara-miasa satria mifanampy ny tonon-taolana rehetra mba hanome izay ilaina. Rehefa miasa tsara ny rantsambatana tsirairay, dia mitombo ny vatana ka mihamatanjaka noho ny fitiavana.”—Efes. 4:15, 16.
10 Mitombo ny fiangonana rehefa miara-miasa sy manaraka ny fitarihan’i Kristy ny rehetra. Manjaka koa ny fitiavana, izay “toy ny tady tonga lafatra mampifamatotra antsika.”—Jaona 10:16; Kol. 3:14; 1 Kor. 12:14-26.
11 Hita avy amin’ireo zava-mitranga eran-tany fa tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Voaporofo àry fa efa manjaka eo anivon’ny fahavalony i Jesosy Kristy, nanomboka tamin’ny 1914. (Sal. 2:1-12; 110:1, 2) Midika izany fa tsy ho ela izy dia hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny fahavalony. Hasehony amin’izany fa Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo izy. (Apok. 11:15; 12:10; 19:16) Ireo mahazo sitraka amin’i Kristy kosa ho voavonjy, araka ny efa nampanantenain’i Jehovah taloha ela be, rehefa nikomy taminy ny olombelona voalohany. (Mat. 25:34) Tena faly isika, satria manaiky ny anjara asan’i Kristy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra. Enga anie isika ka hiara-miasa foana mba hamitana ny fanompoantsika maneran-tany, ary hanaraka hatrany ny fitarihan’i Kristy amin’izao andro farany izao.