LESONA 19
Ireo Loza Telo Voalohany
Noterena hiasa mafy hoatran’ny andevo ny Israelita. Nasain’i Jehovah niteny tamin’i Farao àry i Mosesy sy Arona hoe: ‘Alefaso mandeha ny vahoakako, fa hivavaka amiko any an-tany efitra ry zareo.’ Niavonavona erỳ i Farao niteny hoe: ‘Tsy raharahako izay tenenin’izany Jehovah izany e! Tsy halefako ny Israelita.’ Vao mainka aza notereny hiasa mafy kokoa ry zareo. Tian’i Jehovah hofaizina àry i Farao. Fantatrao ve hoe inona no nataony? Nandefasany Loza Folo i Ejipta. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Tena tsy mihaino an’ahy mihitsy i Farao. Hankeny amin’ny Reniranon’i Neily izy rahampitso maraina fa mankanesa eny. Dia teneno izy hoe ho lasa ra ny rano ao, satria tsy avelany mandeha ny vahoakako.’ Nankany amin’i Farao àry i Mosesy. Dia hitan’i Farao i Arona nikapoka ny rano tamin’ny tehiny, dia niova ho ra ilay izy. Maty daholo ny trondro tao ary lasa maimbo be ilay rano, ka tsy azo nosotroina intsony. Mbola tsy namela ny Israelita handeha ihany anefa i Farao.
Nirahin’i Jehovah nankany amin’i Farao indray i Mosesy, herinandro taorian’izay, hiteny hoe: ‘Raha mbola tsy alefanao ihany ny vahoakako, dia hataoko feno sahona eto Ejipta.’ Ningain’i Arona ny tehiny ka lasa feno sahona eran’i Ejipta. Nisy sahona daholo na tany an-trano, na teny am-pandriana, na tao anaty vilia baolina. Dia hoy i Farao: ‘Mba iangavio i Jehovah hoe esory any ireo sahona ireo, dia halefako ny Israelita.’ Najanon’i Jehovah àry ilay loza ka maty ireo sahona. Nangonin’ny Ejipsianina avy eo ny fatin’ireny, ary lasa maimbo be tany Ejipta. Tsy navelan’i Farao handeha akory anefa ny Israelita.
Hoy indray i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Asaivo kapohin’i Arona amin’ny tehiny ny tany dia ho lasa moka ny vovoka.’ Tonga dia feno moka tany Ejipta. Dia nisy mpiasan’i Farao niteny hoe: ‘Loza avy amin’Andriamanitra ity.’ Mbola tsy nety nandefa ny Israelita ihany anefa i Farao.
“Hataoko fantany ny heriko sy ny tanjako, ... ka tsy maintsy ho fantany fa Jehovah no anarako.” —Jeremia 16:21