LESONA 20
Ireo Loza Enina Nanaraka
Nasain’Andriamanitra niteny tamin’i Farao indray i Mosesy sy Arona hoe: ‘Handefa fihitra aho raha tsy alefanao ny vahoakako.’ Lalitra ngezabe manaikitra izany fihitra izany. Dia nisy andiana fihitra nirohotra àry nankao an-tranon’ny Ejipsianina rehetra, na nahantra izy na nanankarena. Tany amin’ny toerana nipetrahan’ny Israelita, tany Gosena, ihany no tsy nisy fihitra. Ny Ejipsianina ihany no voa nanomboka tamin’io loza fahefatra io. Hoy indray i Farao: ‘Mba asaivo esorin’i Jehovah ireny fihitra ireny, dia halefako ny vahoakany.’ Vao nesorin’i Jehovah anefa ilay izy, dia niova hevitra i Farao. Asa hoe rahoviana izy vao mba handray lesona!
Hoy indray i Jehovah: ‘Harary sy ho faty ny biby fiompin’ny Ejipsianina, raha tsy alefan’i Farao ny vahoakako.’ Dia nanomboka maty ny biby fiompin-dry zareo ny ampitson’iny, fa ny an’ny Israelita kosa tsy maty. Mbola mafy loha ihany anefa i Farao, dia tsy navelany handeha ny Israelita.
Nirahin’i Jehovah nankany amin’i Farao indray i Mosesy, dia nasainy nanipy lavenona teny amin’ny rivotra. Lasa vovoka ilay lavenona, ary nipetaka tamin’ny Ejipsianina rehetra. Dia lasa feno vay daholo ny Ejipsianina sy ny biby fiompiny. Mbola tsy nety nandefa ny Israelita ihany anefa i Farao.
Nasain’i Jehovah niverina tany amin’i Farao indray i Mosesy hiteny hoe: ‘Mbola tsy avelanao handeha ihany ve ny vahoakako? Ho hitanao tsara fa hisy havandra be dia be hilatsaka eto Ejipta rahampitso.’ Dia nandefa havandra sy kotroka ary afo i Jehovah ny ampitson’iny. Mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy tany Ejipta hatramin’izay! Simba daholo ny hazo sy ny voly, afa-tsy ny tao Gosena. Dia hoy i Farao: ‘Mba asaivo ajanon’i Jehovah ilay havandra, dia havelako handeha ianareo.’ Vao nijanona anefa ny orana sy havandra, dia niova hevitra izy.
Hoy indray i Mosesy: ‘Hohanin’ny valala daholo ny zavamaniry tsy simban’ilay havandra teo.’ Nisy valala be dia be àry nihinana an’izay sisa tavela teny an-tsaha sy teny amin’ny hazo. Dia hoy i Farao: ‘Mba iangavio i Jehovah handroaka an’ireo valala ireo.’ Na dia efa nesorin’i Jehovah aza anefa ny valala, dia mbola mafy loha ihany i Farao.
Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Ataovy manondro ny lanitra ny tananao.’ Tonga dia maizina be ny lanitra. Tsy nifankahita ny Ejipsianina nandritra ny telo andro, sady tsy nahita na inona na inona mihitsy. Tany amin’ny Israelita ihany no nisy hazavana.
Dia hoy i Farao tamin’i Mosesy: ‘Afaka mandeha ianao sy ny vahoakanao, fa ny biby fiompinareo ajanòny eto ihany.’ Hoy anefa i Mosesy: ‘Tsy maintsy hoentinay ny biby fiompinay fa hataonay fanatitra ho an’ny Andriamanitray.’ Tezitra be àry i Farao ka nilelalela hoe: ‘’Ndeha mandeha any! Hovonoiko ianao raha mbola miverina atỳ!’
“Ho hitanareo indray fa tsy mitovy ny olo-marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.”—Malakia 3:18