FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 21 p. 54-p. 55 feh. 2
  • Ny Loza Fahafolo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Loza Fahafolo
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Mihaona Amin’i Farao i Mosesy sy Arona
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Ireo Loza Telo Voalohany
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Iza moa i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Nanafaka ny Israelita Andriamanitra
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 21 p. 54-p. 55 feh. 2
Lehilahy israelita manosotra ra eo amin’ny varavarany

LESONA 21

Ny Loza Fahafolo

Niteny tamin’i Farao i Mosesy hoe tsy hankany aminy intsony. Talohan’ny nandehanany anefa, dia hoy izy: ‘Ho faty daholo ny lahimatoa rehetra eto Ejipta amin’ny 12 alina, hatramin’ny zanak’i Farao ka hatramin’ny zanaky ny mpanompo.’

Nasain’i Jehovah nanomana sakafo manokana aloha ny Israelita. Hoy izy: ‘Makà ondrilahy na osilahy anankiray herintaona, dia vonoy. Akao ny rany, dia hosory eo amin’ny varavarana. Atonoy ny henany, ary hano miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora. Anaovy koa ny akanjonareo sy ny kapanareo, dia miomankomàna fa alefako mandeha ianareo androany alina.’ Faly be izao ny Israelita e?

Nitety ny trano rehetra tany Ejipta ny anjelin’i Jehovah tamin’ny 12 alina. Nojereny izay varavarana tsy nisy ra, dia novonoiny ny lahimatoa tao amin’ilay trano. Nandalovan’ilay anjely fotsiny kosa izay trano nisy ra ny varavarany. Samy nanana zaza iray maty daholo ny fianakaviana ejipsianina rehetra, na nanankarena ry zareo na nahantra. Tsy nisy maty kosa ny zanaky ny Israelita, na iray aza.

Na ny zanak’i Farao aza maty. Tena tsy zakan’i Farao izany, ka tonga dia noteneniny i Mosesy sy Arona hoe: ‘Mandehana mandeha any daholo ianareo! ’Ndana mivavaka amin’izany Andriamanitrareo izany, dia ento koa ny biby fiompinareo!’

Diavolana be ny andro rehefa niala tany Ejipta ny Israelita. Nisy 600 000 ny lehilahy, ary be dia be koa ny vehivavy sy ny ankizy. Samy niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny fokony ry zareo, dia nilamina tsara. Betsaka koa ny olona tsy Israelita nanaraka an-dry zareo satria te hivavaka amin’i Jehovah. Ela ny ela ka tsy andevo intsony ny Israelita!

Tokony hanao sakafo manokana hoatran’iny ry zareo isan-taona, amin’izay tadidiny foana hoe namonjy azy i Jehovah. Nantsoina hoe Paska ilay izy.

Israelita miala any Ejipta

“Izao no tena antony namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.”​—Romanina 9:17

Fanontaniana: Inona ilay loza fahafolo? Inona no tsy maintsy nataon’ny Israelita raha tsy tian-dry zareo ny ho tratran’ilay loza?

Eksodosy 11:1–12:42; 13:3-10

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara