LESONA 23
Nanao Voady Tamin’i Jehovah Izy Ireo
Tonga teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Israelita, roa volana teo ho eo taorian’ny nialany tany Ejipta. Dia nijanona teo ry zareo. Nasain’i Jehovah niakatra nankany amin’ilay tendrombohitra i Mosesy. Hoy i Jehovah taminy: ‘Izaho no nanavotra ny Israelita, dia ho lasa vahoakako ry zareo raha mankatò an’ahy foana sady manaraka ny didiko.’ Niverina teny amin’ny Israelita i Mosesy ka niteny an’izany tamin-dry zareo. Dia hoy ry zareo: ‘Ao fa hataonay daholo izay asain’i Jehovah hataonay.’
Niakatra nankany amin’ilay tendrombohitra indray i Mosesy. Hoy i Jehovah: ‘Hiresaka aminao aho rehefa afaka telo andro. Dia teneno ny vahoaka hoe aza miakatra eto amin’ity tendrombohitra ity.’ Lasa indray i Mosesy nidina, dia niteny tamin-dry zareo hoe: ‘Miomàna hihaino an’i Jehovah.’
Nahita tselatra sy rahona mainty be teo amin’ilay tendrombohitra ny Israelita, telo andro taorian’izay. Naheno kotroka mafy sy feon’anjombona koa ry zareo. Dia nisy afo nirehitra be nidina teo amin’ilay tendrombohitra. Hoatran’ny hoe nidina teo i Jehovah tamin’izay. Natahotra be àry ny Israelita dia nangovitra. Nihovotrovotra be ilay tendrombohitra sady feno setroka. Vao mainka nihamafy koa ny feon’ilay anjombona. Dia hoy Andriamanitra: ‘Izaho no Jehovah. Tsy mahazo mivavaka amin’ny andriamanitra hafa ianareo.’
Niverina niakatra nankany amin’ilay tendrombohitra i Mosesy. Nomen’i Jehovah lalàna be dia be izy hoe ahoana no hatao rehefa mivavaka aminy, ary inona no tokony hataon’ny Israelita. Nosoratan’i Mosesy ireo lalàna ireo, dia novakiny tamin-dry zareo. Nivoady ry zareo avy eo hoe: ‘Ao fa hataonay daholo izay asain’i Jehovah hataonay.’ Tena hanatanteraka an’io voady nataony tamin’Andriamanitra io ve anefa ry zareo?
“Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.”—Matio 22:37