LESONA 52
Ny Tafik’i Jehovah
Nanafika ny Israely foana i Beni-hadada mpanjakan’i Syria. Tsy nahavoa mihitsy anefa izy. Isaky ny hanafika mantsy izy, dia nampitandreman’i Elisa mpaminany mialoha ny mpanjakan’ny Israely dia afaka nandositra. Te hisambotra an’i Elisa àry i Beni-hadada. Fantany hoe tany Dotana i Elisa, dia nirahiny nankany ny tafika syrianina mba hisambotra azy.
Tonga alina tao Dotana ny Syrianina. Rehefa nifoha maraina ny mpiasan’i Elisa, dia nahita miaramila be dia be nanodidina ny tanàna. Natahotra be izy ka niantsoantso hoe: ‘Elisa a, inona no hataontsika?’ Dia hoy i Elisa: ‘Ao fa betsaka lavitra ny miaraka amintsika noho ny miaraka amin-dry zareo.’ Nataon’i Jehovah hitan’ilay mpiasan’i Elisa tamin’izay fotoana izay hoe feno soavaly sy kalesy afo ny tendrombohitra nanodidina an’ilay tanàna.
Rehefa hisambotra an’i Elisa ny Syrianina, dia nivavaka izy hoe: ‘Jehovah ô, mba ataovy jamba re ry zareo e!’ Dia inona no nitranga? Tsy hoe tena lasa jamba akory ry zareo. Lasa tsy fantatry ry zareo tampoka teo fotsiny ilay toerana nisy azy, na dia mbola nahita aza ny masony. Dia hoy i Elisa: ‘Tsy ity ilay tanàna tokony halehanareo. Andao fa hatoroko anareo ilay olona tadiavinareo.’ Dia nanaraka azy hatrany Samaria, tany amin’ny mpanjakan’ny Israely, ry zareo.
Tonga saina ihany avy eo ny Syrianina, saingy efa tara loatra. Nanontany an’i Elisa ny mpanjakan’ny Israely hoe hovonoiny ve ry zareo. Dia ahoana no navalin’i Elisa? Nanararaotra an’izany ve izy dia namaly faty an’ireo olona nitady hamono azy ireo? An an an ka! Hoy izy: ‘Aza vonoina izany ry zareo, fa omeo sakafo dia asaivo mody.’ Nanaovan’ny mpanjaka fety be àry ry zareo, dia nalefany nody avy eo.
“Izao ny toky ananantsika momba an’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika aminy ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”—1 Jaona 5:14