FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 57 p. 138-p. 139 feh. 1
  • Nirahin’i Jehovah Hitory i Jeremia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nirahin’i Jehovah Hitory i Jeremia
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Niresaka Momba An’i Jehovah Foana i Jeremia
    Ampianaro ny Zanakao
  • “Tsy Afaka ny Hangina Aho”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • Iza no Namana Fidinao?
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • “Efa Nataoko ao Am-bavanao ny Teniko”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 57 p. 138-p. 139 feh. 1
Jeremia, manapotika siny tanimanga eo anoloan’ny anti-panahy

LESONA 57

Nirahin’i Jehovah Hitory i Jeremia

Nofidin’i Jehovah ho mpaminany tany Joda i Jeremia. Nasainy nitory izy, dia hampitandrina ny olona hoe tsy tokony hanao ratsy intsony ry zareo. Hoy anefa i Jeremia: ‘Izaho ange Jehovah mbola kely e! Tsy mahay miresaka amin’olona izany aho!’ Dia hoy i Jehovah: ‘Aza matahotra. Ao fa hampiako ianao dia hoteneniko anao izay tokony hoteneninao.’

Nasain’i Jehovah hiantso an’ireo anti-panahy i Jeremia, dia hanapotika siny tanimanga kely iray eo anatrehan-dry zareo sady hiteny hoe: ‘Hopotehina hoatr’izao i Jerosalema.’ Tezitra be ireo anti-panahy ireo rehefa nanao an’izany i Jeremia. Nikapoka azy ny mpisorona atao hoe Pasora, dia nataony tsy afa-nihetsika tamin’ny gadra hazo ny tongony sy ny tanany nandritra ny alina manontolo. Novahan’i Pasora izy ny ampitso. Dia hoy i Jeremia: ‘Tsy zakako izao ka! ’Zaho tsy hitory intsony.’ Dia tena izay tokoa ve no nataony? An an an! Rehefa tena nieritreritra izy, dia hoy izy: ‘Hoatran’ny afo mirehitra ato anatiko ny tenin’i Jehovah. Tsy vitako izany hoe tsy mitory izany.’ Nitory foana ihany àry izy.

Olon-kafa indray no lasa mpanjakan’ny Joda tatỳ aoriana. Tsy tian’ny mpisorona sy ny mpaminany sandoka mihitsy tamin’izany ny zavatra notorin’i Jeremia. Dia hoy ry zareo tamin’ny andriana: ‘Mendrika ny ho faty i Jeremia!’ Hoy anefa i Jeremia: ‘Raha mamono an’ahy ianareo, dia mamono olona tsy manan-tsiny. Tenin’i Jehovah ange no toriko e!’ Rehefa naheno an’izany ireo andriana, dia niteny hoe: ‘Tsy tokony hovonoina ho faty izy.’

Mbola nitory foana i Jeremia. Tezitra be àry ireo andriana, ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe tokony hovonoina izy. Dia navelan’ny mpanjaka hanao izay tiany hatao tamin’i Jeremia ry zareo. Natsipin-dry zareo tao anaty lavadrano lalina be feno fotaka àry izy mba ho faty ao. Dia nihanilentika tao anatin’ilay fotaka i Jeremia.

Ebeda-meleka sy ireo namany, misintona an’i Jeremia avy ao anaty lavadrano

Soa ihany fa nisy mpiasan’ny mpanjaka, atao hoe Ebeda-meleka, niteny tamin’ny mpanjaka hoe: ‘Natsipin’ny andriana ao anaty lavadrano ange i Jeremia e! Ho faty izy raha avela ao.’ Dia nasain’ny mpanjaka nitondra 30 lahy i Ebeda-meleka mba hisintona an’i Jeremia avy tao. Hita mihitsy hoe tsy nisy na inona na inona navelan’i Jeremia hisakana azy tsy hitory. Tokony hanao hoatran’azy koa isika, sa tsy izany?

“Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Izay miaritra hatramin’ny farany anefa no hovonjena.”​—Matio 10:22

Fanontaniana: Nahoana i Jeremia no nankatò an’i Jehovah, na dia mbola kely aza? Iza avy no nisakana an’i Jeremia tsy hitory?

Jeremia 1:1-19; 19:1-11; 20:1-13; 25:8-11; 26:7-16; 38:1-13

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara