LESONA 60
Fanjakana Haharitra Mandrakizay
Nanofy i Nebokadnezara Mpanjaka, indray alina. Hafahafa be ilay nofy, ka lasa tsy nahita tory izy. Nantsoiny àry ny mpanao sikidy, dia hoy izy: ‘Hazavao amiko ny nofiko.’ Dia hoy ry zareo: ‘Lazao anay àry ilay nofinao, ry mpanjaka ô!’ Hoy anefa i Nebokadnezara: ‘Aleo ianareo no milaza amiko hoe inona ilay nofiko, fa raha tsy izany dia hovonoiko ianareo.’ Hoy indray ry zareo: ‘Lazao anay aloha ilay nofy, dia lazainay ny dikany.’ Hoy anefa izy: ‘Mitady hamitaka an’ahy fotsiny ianareo! Teneno an’ahy hoe inona ilay nofiko.’ Dia hoy ry zareo: ‘Tsisy olona mahavita an’izany zavatra angatahinao izany.’
Tezitra be i Nebokadnezara ka nanome baiko hoe vonoina daholo ny mpanao sikidy sy ny olon-kendry rehetra, anisan’izany i Daniela, Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Nangataka fotoana kely tamin’ny mpanjaka anefa i Daniela, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy sy ny namany mba hanampy an-dry zareo. Inona àry no nataon’i Jehovah?
Nasehon’i Jehovah tamin’i Daniela tao amin’ny fahitana ny nofin’i Nebokadnezara sy ny dikany. Ny ampitson’iny, dia hoy i Daniela tamin’ny mpiasan’ny mpanjaka: ‘Aza vonoina ny olon-kendry fa hoteneniko amin’ny mpanjaka ny dikan’ny nofiny.’ Rehefa nentina tany amin’i Nebokadnezara i Daniela, dia hoy izy: ‘Nasehon’Andriamanitra taminao ny zavatra hitranga amin’ny hoavy. Nanofy ianao hoe nisy sarivongana ngezabe. Volamena ny lohany, volafotsy ny tratrany sy ny sandriny, varahina ny kibony sy ny feny, vy ny ranjony, ary vy mifangaro tanimanga ny tongony. Dia nisy vato nendahana avy tamin’ny tendrombohitra nandona mafy an’ilay sarivongana teo amin’ny tongony, dia potipotika ilay izy ary avy eo lasan’ny rivotra. Ilay vato kosa lasa tendrombohitra ngezabe, ka feno azy ny tany manontolo.’
Hoy i Daniela avy eo: ‘Izao no dikan’izany nofinao izany: Ny fanjakanao ilay loha volamena, ary fanjakana handimby anao ilay volafotsy. Ilay varahina kosa dia fanjakana anankiray hafa hanjaka eran-tany aorian’izay. Hisy fanjakana matanjaka be hoatran’ny vy avy eo. Dia amin’ny farany hisy fanjakana iray voazarazara, satria hisy ampahany hatanjaka hoatran’ny vy, ary hisy ampahany halemy hoatran’ny tanimanga. Ilay vato lasa tendrombohitra dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Hopotipotehiny daholo ireo fanjakana ireo, fa izy kosa haharitra mandrakizay.’
Dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Daniela i Nebokadnezara. Hoy izy: ‘Ny Andriamanitrao no nampahafantatra an’ilay nofy taminao. Tsisy Andriamanitra hoatran’azy mihitsy.’ Tsy novonoin’i Nebokadnezara àry i Daniela, fa nataony lehiben’ny olon-kendry rehetra sady notendreny ho filohan’ny faritanin’i Babylona. Tena namaly ny vavak’i Daniela i Jehovah e?
“Nangonin’izany fanambarana izany ho any amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Aramagedona ireny mpanjaka ireny.”—Apokalypsy 16:16