LESONA 62
Fanjakana Hoatran’ny Hazo Ngezabe
Nanofy zavatra mampahatahotra i Nebokadnezara, indray alina. Nasainy nilaza ny dikan’ilay nofy ny olon-kendry, nefa tsy nisy nahay. Farany, dia nampanantsoiny i Daniela.
Hoy i Nebokadnezara taminy: ‘Nanofy nahita hazo anankiray aho. Lasa avo be ilay izy dia tonga hatreny amin’ny lanitra, ary hitan’ny olona rehetra teto an-tany. Nisy raviny tsara tarehy sy voany be dia be ilay izy. Nialokaloka teo ambaniny ny biby, ary nanao trano teny amin’ny sampany ny vorona. Dia nisy anjely avy tany an-danitra niantsoantso hoe: “Kapao io hazo io sy ny sampany. Avelao eo ihany anefa ny fotony sy ny fakany, dia fatory vy sy varahina. Ho lasa fom-biby ny fony, fa tsy ho fon’olombelona intsony. Dia havela eo izy mandritra ny fe-potoana fito. Ho fantatry ny olona rehetra amin’izay hoe Andriamanitra no Mpitondra, ka azony omena fanjakana izay tiany homena an’izany.”’
Dia nampahafantarin’i Jehovah an’i Daniela ny dikan’ilay nofy. Natahotra be izy rehefa fantany ilay izy. Hoy izy: ‘Tiako izao raha mba amin’ny fahavalonao no ho tanteraka ilay nofy fa tsy aminao, ry mpanjaka ô! Ianao anefa ilay hazo nokapaina. Hesorina tsy ho mpanjaka ianao, sady hihinana bozaka hoatran’ny bibidia. Ho lasa mpanjaka indray anefa ianao, satria navela teo ihany ny fototr’ilay hazo sy ny fakany, araka ny tenin’ilay anjely.’
Herintaona taorian’izay, dia nandehandeha teny an-tampon’ny lapany i Nebokadnezara. Hoy izy: ‘Tsara tarehy be mihitsy ity tanànan’i Babylona nataoko ity. Tsisy mahavita hoatran’ahy mihitsy.’ Tamin’izay no nisy feo avy tany an-danitra niteny hoe: ‘Nebokadnezara, esorina tsy ho mpanjaka ianao izao.’
Tonga dia lasa adala i Nebokadnezara, dia lasa hoatran’ny bibidia. Voatery niala tao amin’ny lapany izy, dia nipetraka tany an-tsaha niaraka tamin’ny bibidia. Lasa lava hoatran’ny volon’ny voromahery ny volony, dia hoatran’ny hohon’ny vorona ny hohony.
Sitrana i Nebokadnezara rehefa afaka fito taona, dia nataon’i Jehovah mpanjakan’i Babylona indray. Hoy izy: ‘Midera an’i Jehovah aho fa izy no Mpanjakan’ny lanitra. Fantatro izao fa izy no Mpitondra, ka izay manambony tena dia ataony lasa ambany, ary azony omena fanjakana izay tiany homena an’izany.’
“Ho lavo izay mirehareha, ary hianjera izay manambony tena.”—Ohabolana 16:18