FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 70 p. 166-p. 167 feh. 2
  • Anjely Niteny hoe Teraka i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Anjely Niteny hoe Teraka i Jesosy
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Taiza i Jesosy no Teraka ary Oviana?
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Ny nahaterahan’i Jesosy: taiza ary oviana no nitranga izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Teraka tao An-tranon’omby i Jesosy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Ny nahaterahan’i Jesosy — Taiza ary oviana?
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 70 p. 166-p. 167 feh. 2
Anjely be dia be, milaza amin’ny mpiandry ondry fa teraka i Jesosy

LESONA 70

Anjely Niteny hoe Teraka i Jesosy

I Aogosto Kaisara no mpitondra teo amin’ny Fanjakana Romanina tamin’izay. Nasainy niverina tany amin’ny tanànany daholo ny Jiosy mba hosoratana anarana. Nankany Betlehema àry i Josefa sy Maria, satria avy any ry Josefa. Efa akaiky ho teraka i Maria tamin’izay.

Rehefa tonga tany Betlehema ry zareo, dia tsy nahita toerana hipetrahana afa-tsy tao amin’izay tranom-biby izay. Tao i Maria no niteraka an’i Jesosy. Nofonosiny lamba malefaka izy, dia napetrany moramora tao anaty fihinanam-bilona.

Nisy lehilahy niandry ondry tany an-tsaha teny akaikin’i Betlehema, tamin’iny alina iny. Tampoka teo dia nisy anjely nijoro teo anoloan-dry zareo, ary nazava be ny nanodidina an-dry zareo satria niseho ny voninahitr’i Jehovah. Natahotra be ireo mpiandry ondry, nefa hoy ilay anjely: ‘Aza matahotra fa hilaza vaovao tsara aho. Teraka ao Betlehema androany ny Mesia.’ Nisy anjely be dia be nipoitra teny amin’ny lanitra tamin’izay, dia niteny hoe: ‘Voninahitra ho an’Andriamanitra any an-danitra, ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany.’ Dia nanjavona ireo anjely avy eo. Inona àry no nataon’ireo mpiandry ondry?

Hoy ry zareo: ‘Andao isika ho any Betlehema izao dia izao!’ Nankany haingana ry zareo, dia hitan-dry zareo tao amin’ilay tranom-biby i Josefa sy Maria ary ilay zanany vao teraka.

Gaga be daholo ny olona rehefa nitantaran’ny mpiandry ondry an’izay notenenin’ilay anjely. I Maria kosa nieritreritra be an’ilay tenin’ny anjely, dia tsy hadinony mihitsy ilay izy. Niverina tany an-tsaha ireo mpiandry ondry avy eo, sady nisaotra an’i Jehovah noho izay rehetra hitany sy henony.

“Avy tany amin’Andriamanitra aho no tonga tetỳ. Tsy hoe sitrapoko fotsiny no nahatongavako tetỳ, fa Izy no naniraka ahy.”​—Jaona 8:42

Fanontaniana: Ahoana no nahafantaran’ireo mpiandry ondry hoe teraka i Jesosy, ary inona no nitranga tamin’izay? Iza no hitan’ny mpiandry ondry rehefa tonga tao Betlehema ry zareo?

Lioka 2:1-20; Isaia 9:6

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara