FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 80 p. 188-p. 189 feh. 1
  • Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Nifidy ireo apostoliny i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Fifidianana ireo apostoliny
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Mampianatra eo An-tendrombohitra i Jesosy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 80 p. 188-p. 189 feh. 1
Jesosy sy ny apostoliny 12

LESONA 80

Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy

Nisy zava-dehibe tsy maintsy nataon’i Jesosy, herintaona sy tapany teo ho eo taorian’ny nanombohany nitory. Tsy maintsy nifidy izy hoe iza no hiara-hiasa akaiky aminy, ary iza no hampiofaniny hitarika ny fiangonana kristianina. Tian’i Jesosy raha manampy azy hahay hifidy tsara i Jehovah. Nankany amin’ny tendrombohitra anankiray àry izy, ka nivavaka nandritra ny alina. Rehefa maraina ny andro dia nantsoiny ny mpianany sasany, ary nifidy 12 tamin’ireo izy hataony apostoly. Iza avy ny apostoly tadidinao? Ireto avy ry zareo: Petera, Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartolomeo, Tomasy, Matio, Jakoba zanak’i Alfeo, Tadeo, Simona, ary Jodasy Iskariota.

Andrea, Petera, Filipo, Jakoba

Andrea, Petera, Filipo, Jakoba

Niaraka tamin’i Jesosy foana izy 12 Lahy. Nampiofaniny aloha ry zareo, dia nalefany nitory irery amin’izay. Nomen’i Jehovah hery koa ry zareo ka afaka namoaka demonia sy nanasitrana marary.

Jaona, Matio, Bartolomeo, Tomasy

Jaona, Matio, Bartolomeo, Tomasy

Nantsoin’i Jesosy hoe namany ny apostoly 12, ary natoky an-dry zareo izy. Ny Fariseo kosa nihevitra an-dry zareo hoe olon-tsotra sy tsy nahita fianarana. Nampiofanin’i Jesosy hahay tsara ny asa nampanaovina azy anefa ry zareo. Niaraka taminy ry zareo tamin’ireo fotoana niavaka indrindra teo amin’ny fiainany, ohatra hoe talohan’ny nahafatesany sy taorian’ny nananganana azy. Avy any Galilia hoatran’i Jesosy ny ankamaroan’ny apostoly, ary nanambady ny sasany.

Jakoba zanak’i Alfeo, Jodasy Iskariota, Tadeo, Simona

Jakoba zanak’i Alfeo, Jodasy Iskariota, Tadeo, Simona

Tsy lavorary ny apostoly ka nanao fahadisoana. Tsy nieritreritra tsara ry zareo indraindray, dia niteniteny foana na nanaonao foana. Nisy fotoana koa ry zareo tsy nahay niandry. Nifamaly mihitsy aza ireo apostoly ireo hoe iza amin-dry zareo no lehibe kokoa. Olona tsara anefa ry zareo sady tia an’i Jehovah. Ry zareo no hitarika ny fiangonana kristianina rehefa lasa i Jesosy.

‘Antsoiko hoe namana ianareo, satria ampahafantariko anareo daholo izay henoko tamin’ny Raiko.’​—Jaona 15:15

Fanontaniana: Iza avy no nofidin’i Jesosy ho apostoly 12? Inona no nasain’i Jesosy nataon’ny apostoly?

Matio 10:1-10; Marka 3:13-19; 10:35-40; Lioka 6:12-16; Jaona 15:15; 20:24, 25; Asan’ny Apostoly 2:7; 4:13; 1 Korintianina 9:5; Efesianina 2:20-22

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara