LESONA 82
Nampianatra Hivavaka i Jesosy
Isaky ny nanao zavatra tsara ny Fariseo, dia nataony hitan’ny olona foana ilay izy amin’izay izy derain’ny olona. Nivavaka teny amin’ny toerana be olona, ohatra, ry zareo. Nanao tsianjery vavaka lava be ry zareo, dia ireny no naverimberiny tany amin’ny synagoga sy teny an-tsisin-dalana, amin’izay mba henon’ny olona. Gaga àry ny olona rehefa niteny i Jesosy hoe: ‘Aza manao hoatran’ny Fariseo rehefa mivavaka. Heverin-dry zareo hoe faly Andriamanitra rehefa manao vavaka lava be izy. Diso hevitra anefa ry zareo. Ianao sy Jehovah mantsy no miresaka rehefa mivavaka ianao. Dia aza atao tsianjery ny vavaka. Tiany raha izay tena ao am-ponao mihitsy no resahinao aminy.
‘Hoatr’izao atao rehefa mivavaka: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”’ Nasain’i Jesosy hangataka ny sakafo isan’andro koa ry zareo, dia hangataka famelan-keloka, ary hiresaka zavatra hafa ilainy manokana.
Hoy koa i Jesosy: ‘Mivavaha foana amin’i Jehovah Rainao, dia mangataha zavatra tsara aminy. Ny ray aman-dreny izao te hanome zavatra tsara ho an’ny zanany. Dia raha mangataka mofo ve, ohatra, ny zanakareo dia homenareo vato? Na hoe mangataka trondro dia homenareo bibilava?’
Nanazava i Jesosy avy eo hoe: ‘Raha ianareo aza mahalala manome zavatra tsara ho an’ny zanakareo, koa mainka moa fa i Jehovah Rainareo! Tena homeny fanahy masina ianareo, fa mila mangataka aminy fotsiny.’ Manao an’izany ve ianao? Inona no resahinao rehefa mivavaka ianao?
“Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo.”—Matio 7:7