Fampidirana ny Fizarana 5
Tonga teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Israelita, roa volana taorian’ny niampitany ny Ranomasina Mena. Nanao fifanekena tamin-dry zareo i Jehovah, ka nofidiny ho fireneny manokana ry zareo. Niaro an-dry zareo izy, sady nanome an’izay rehetra nilainy. Nanome mana hataony sakafo, ohatra, izy, nataony tsy nety rovitra ny akanjon-dry zareo, ary nentiny tany amin’ny toerana azo antoka ry zareo. Resaho amin’ny zanakao hoe nahoana i Jehovah no nanome Lalàna sy tranolay masina ary mpisorona ho an’ny Israelita. Hazavao hoe tokony hitana ny teniny foana izy, hanetry tena, ary tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy.