EFAJORO 9F
“Fotoana Hamerenana ny Zava-drehetra Amin’ny Laoniny”
ASAN’NY APOSTOLY 3:21
Niresaka momba ny “fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny” ny apostoly Petera. Tamin’i Kristy natao Mpanjaka io fotoana mahafinaritra io no nanomboka, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona.
1914: Lasa Mpanjaka any an-danitra i Jesosy Kristy. Lasa ao amin’ny paradisa ara-panahy ny vahoakan’Andriamanitra nanomboka tamin’ny 1919
Andro farany
ARAMAGEDONA: Manomboka ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Mitohy ny “fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny”, ka mahazo fitahiana be dia be ny olona tsy mivadika eto an-tany
Fanjakana Arivo Taona
FARAN’NY FANJAKANA ARIVO TAONA: Vitan’i Jesosy tanteraka ny famerenana amin’ny laoniny, dia omeny ny Rainy ny Fanjakana
Paradisa mandrakizay
REHEFA MITONDRA I JESOSY, DIA...
homena voninahitra indray ny anaran’Andriamanitra
hositranina ny marary
ho lasa tanora ny antitra
ho velona indray ny maty
ho lasa lavorary indray ny olona tsy mivadika
ho lasa paradisa ny tany