FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lmd lesona 10
  • Aoka Ianao ho Tapa-kevitra Hanampy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka Ianao ho Tapa-kevitra Hanampy
  • Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no nataon’i Jesosy?
  • Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
  • Tahafo i Jesosy
  • Mandraisa Fianarana avy Amin’i Nikodemosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Nampianatra An’i Nikodemosy Tamin’ny Andro Alina i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Nikodemosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ampio Hanaraka ny Fahamarinana ny Mpianatra Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Tiavo ny Olona ka Ampianaro
lmd lesona 10

REHEFA MAMPIANATRA

Miresaka amin’i Nikodemosy eo an-tokotany amin’ny andro alina i Jesosy.

Jaona 3:1, 2

LESONA 10

Aoka Ianao ho Tapa-kevitra Hanampy

Torolalana: “Tapa-kevitra [izahay] hoe tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany no homenay anareo, fa na ny ainay koa aza. Tena maminay mantsy ianareo.”​—1 Tes. 2:8.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

Miresaka amin’i Nikodemosy eo an-tokotany amin’ny andro alina i Jesosy.

VIDEO: Mampianatra An’i Nikodemosy i Jesosy

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Jaona 3:1, 2. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1. Nahoana no nety kokoa tamin’i Nikodemosy ny nandeha tany amin’i Jesosy tamin’ny andro alina?​—Jereo ny Jaona 12:42, 43.

  2. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tapa-kevitra ny hanampy ny olona hanara-dia azy izy?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Tapa-kevitra ny hanampy ny olona hanara-dia an’i Jesosy isika satria tia azy ireo.

Tahafo i Jesosy

3. Ataovy amin’ny fotoana sy toerana mety amin’ilay mpianatrao ny fianarana. Mety hisy andro na ora mety kokoa aminy ao anatin’ny herinandro. Any am-piasanany ve, sa any an-tranony, sa any amin’ny toerana be olona izy no hahazo aina kokoa rehefa mianatra? Raha azo atao dia ovao arakaraka izay ilain’ny mpianatrao ny fandaharam-potoananao.

4. Aza tapatapahina ny fianarany. Raha tsy ho eo ianao, dia aza foanana ny fianarany. Eritrereto kosa izao:

  1. a. Afaka mampianatra azy amin’ny fotoana hafa ve ianao amin’iny herinandro iny ihany?

  2. b. Afaka mampianatra azy amin’ny alalan’ny telefaonina na vidéoconférence ve ianao?

  3. d. Afaka mangataka mpitory iray hisolo anao ve ianao?

5. Mivavaha mba hanana toe-tsaina tsara. Angataho i Jehovah mba hanampy anao tsy ho kivy amin’ny mpianatrao, na dia tsy afaka mianatra matetika aza izy na elaela izy vao mampihatra. (Fil. 2:13) Azo antoka hoe manana toetra tsara be dia be ny mpianatrao, dia angataho i Jehovah mba hanampy anao hifantoka amin’izany.

JEREO KOA IRETO

Ohab. 3:27; Asa. 20:35; 2 Kor. 12:15

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara