FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lmd lesona 9
  • Miezaha Hangoraka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Hangoraka
  • Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no nataon’i Jesosy?
  • Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
  • Tahafo i Jesosy
  • Fiaraha-miory—Manampy ho Tsara Fanahy sy Hangoraka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Miezaha Hangoraka
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Miezaha Hangoraka
    Mifohaza!—2020
  • “Nangoraka ... i Jesosy”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
Hijery Hafa
Tiavo ny Olona ka Ampianaro
lmd lesona 9

REHEFA MIVERINA MITSIDIKA

I Jesosy sy ny mpianany, mivoaka avy ao an-tsambokely mba hanatona ny vahoaka niandry azy ireo teo amin’ny torapasika.

Mar. 6:30-34

LESONA 9

Miezaha Hangoraka

Torolalana: “Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.”​—Rom. 12:15.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

I Jesosy sy ny mpianany, mivoaka avy ao an-tsambokely mba hanatona ny vahoaka niandry azy ireo teo amin’ny torapasika.

VIDEO: Mangoraka ny Vahoaka i Jesosy

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Marka 6:30-34. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1. Fa maninona i Jesosy sy ny apostoliny no ‘nandeha tany amin’ny toerana mitokana’?

  2. Inona no nandrisika an’i Jesosy hampianatra ny vahoaka?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Tsy mitory amin’ny olona fotsiny isika fa te hanampy azy koa.

Tahafo i Jesosy

3. Mihainoa tsara. Avelao hiresaka ilay olona. Aza maika hanapaka ny teniny, fa avelao izy hilaza ny fihetseham-pony, na izay mampanahy azy, na izay zavatra tsy eken’ny sainy. Raha mihaino tsara azy ianao dia mampiseho aminy hoe zava-dehibe aminao ny heviny.

4. Eritrereto izay hahasoa azy. Saintsaino ireto rehefa mandinika ny resaka efa nifanaovanareo ianao:

  1. ‘Nahoana izy no mila maheno ny fahamarinana?’

  2. ‘Hihatsara ve ny fiainany raha mianatra Baiboly izy, ary hanao ahoana ny hoaviny?’

5. Izay fanazavana ilainy sy hanampy azy no resaho. Aza mangataka andro fa atoroy azy hoe ho voavaly ny fanontaniany raha mianatra Baiboly izy sady hahita torohevitra be dia be hanampy azy.

JEREO KOA IRETO

Rom. 10:13, 14; Fil. 2:3, 4; 1 Pet. 3:8

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara