ABIBA
(Abìba) [Salohy Maitso].
Volana voalohany tamin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy, fa fahafito kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana (Ek 13:4; 23:15; 34:18; De 16:1), ary mifanitsy amin’ny faramparan’ny Martsa sy voalohandohan’ny Aprily.
“Salohy maitso” no dikan’ny hoe Abiba. Efa masaka ny salohim-bary tamin’izay, saingy mbola nalemy. (Ampit. Le 2:14.) Nojinjaina tamin’io volana io ny vary orza, ary herinandro vitsivitsy taorian’izay ny varimbazaha. Nanomboka koa ny orana faramparany na oran-dohataona, ka tondraka ny Reniranon’i Jordana. (Js 3:15) Nasain’i Jehovah natao volana voalohany tamin’ny taona ara-pivavahana ny Abiba, rehefa nafahana avy tany Ejipta ny Israelita. (Ek 12:1, 2; 13:4) Novana ho Nisana ny anaran’izy io, taorian’ny sesitany tany Babylona.—Jereo NISANA.