FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Agora”
  • Agora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Agora
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Jake
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Itiela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Okala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Agora”

AGORA

(Agòra).

Zanakalahin’i Jake, ary mpanoratra ny Ohabolana toko faha-30. (Oh 30:1) Izay ihany no fantatra momba azy. Azo inoana fa niaina teo anelanelan’ny fotoana nanjakan’i Solomona (1037-998 T.K.) sy Hezekia (745-717 T.K.) izy.

Misy manam-pahaizana mandinika ny asa soratry ny raby, ary mihevitra fa teny an’ohatra ny hoe Agora, ka manondro an’i Solomona. Naka teny tao amin’ny Midrash (asa soratr’ireo raby) Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, ary nataony fanamarihana ambany pejy eo amin’ny Ohabolana 30:1 izany. Niresaka toy izao momba an’i Solomona ilay fanamarihana: “Nantsoina hoe Agora izy satria nanangona (agar) fahalalana momba ny Torah. Nantsoina hoe zanak’i Jake izy satria toy ny hoe naloan’ny vavany (hikki) ilay fahalalana, izany hoe tsy noraharahainy ilay fampitandremana hoe tsy tokony hampitombo ny isan’ny vadiny izy.” (Nataon’i A. Cohen, Londres, 1952) Tsy ny Jiosy mpivaofy teny rehetra anefa no manaiky an’izany. Maro amin’izy ireo no mihevitra fa olon-kafa no nanoratra ny Ohabolana toko faha-30, satria hafa mihitsy ny fomba fanoratra sy fiteny ary ny zavatra resahina ao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara