FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/10 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Agora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Itiela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Iza moa Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/10 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Moa ve ny mpanoratra manisy fitenenana ny amin’i Jehovah sy Jesosy rehefa manambara toy izao ao amin’ny Ohabolana 30:4: “Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany?”

Io andininy io dia mampiseho mazava ny fetran’ny herin’ny olombelona raha oharina amin’ny Avo Indrindra. Ireo fanontaniana araka ny fanao amin’ny lahateny ranofotsiny izay napetrany dia mety hiresaka olona na iza na iza, nefa ho any amin’ny Mpamorona no ampitodihany ireo olona mieritreritra.

Izao no nosoratan’ny mpanoratra, Agora: “Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no naha-misy ny faran’ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany? Fa toa [raha, MN ] fantatrao!” — Ohabolana 30:1, 4.

Tsy nisy mihitsy olona tsy tanteraka niakatra ho any an-danitra ary niverina manana ny fahalalana rehetra. Tsy misy koa na dia iray aza afaka mifehy ny rivotra, ny ranomasina na ireo hery ara-jeolojia manamboatra ny tany. Raha ny marina, dia toy ny hoe nanontany toy izao i Agora: ‘Fantatrao ve ny anarana na ny fiavian’ny olona nanao izany?’ Tsia no valiny. — Jereo Joba 38:1 ka hatramin’ny 42:3; Isaia 40:12-14; Jeremia 23:18; I Korintiana 2:16.

Ilaintsika àry ny mitady any an-toeran-kafa ivelan’ny faritra misy ny olombelona mba hahitana olona manana fahefana ambony noho ny olombelona hifehezana ny herin’ny natiora. Mba hanaovana izany anefa, dia tsy voafetra ho amin’ny fandinihana ireo zavatra nataony isika (Romana 1:20). Azo lazaina hoe nidina tokoa izy mba hitondra ho antsika fahalalana hentitra kokoa, fahalalana momba ny maha-izy azy sy ny fomba fanaovany zavatra. Izany no nataony, ohatra, fony ‘nidina’ izy mba hanome an’i Mosesy ny Lalàna, tao an-tendrombohitra Sinay (Eksodosy 19:20; Hebreo 2:2). Nanampy ireo mpanompony koa izy hahatsapa ny hevitry ny anarany, Jehovah (Eksodosy 3:13, 14; 6:3). Tatỳ aoriana, dia nampahafantariny koa ny Zanany, nantsoina hoe Jesosy izay nidina ara-bakiteny avy any an-danitra, nitondra fahalalana amboniny ny amin’ny mpamorona. — Jaona 1:1-3, 14, 18.

Ireo hevitra vao avy nodinihintsika teo dia tokony hampieritreritra antsika: tsy misy hafa amin’i Agora, isika dia tsy afaka mahazo ny tena fahendrena amin’ny herin’ny tenantsika ihany (Ohabolana 30:2, 3). Afa-tsy izany koa, dia tsy azontsika atao ny manonona ny anaran’izay rehetra mety ho olona manana fahalalana na hery ambony indrindra. Noho izany, dia tokony hitodika amim-panetren-tena any amin’Ilay afaka manome antsika ny fahendrena ilaintsika isika. Izany dia ny Avo Indrindra izay mety ho fantatsika ny anarany ka maty ny Zanany mba hanavotana antsika sy hahavelona antsika mandrakizay. — Matio 20:28.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara