FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ahimaza”
  • Ahimaza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahimaza
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahinoama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Maza
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Basemata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Zadoka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ahimaza”

AHIMAZA

(Ahimàza).

1. Rain’i Ahinoama vadin’i Saoly.​—1Sa 14:50.

2. Zanakalahin’i Zadoka mpisorona sady rain’i Azaria. (1Ta 6:8, 9, 53) Rehefa nikomy tamin’i Davida rainy i Absaloma, ka nitady handrombaka ny seza fiandrianana, dia i Ahimaza no tena mpampita vaovao tany amin’i Davida. Saika tratra i Ahimaza sy ilay niaraka taminy, indray andro, ka niafina tao anaty lavadrano. Nosaronan’ny vehivavy iray ilay izy, ka mody nasiany voam-bary teo amboniny mba tsy ho hitan’ireo mpanenjika. (2Sa 15:27, 36; 17:17-21) Rehefa maty i Absaloma, dia nirahina hihazakazaka hilaza vaovao tany amin’i Davida ny Kosita iray. Nisisika ny handeha koa i Ahimaza, ka navela ihany tamin’ny farany. Tratrany ilay nihazakazaka teo alohany, ka rehefa nihananakaiky an’ilay tanàna izy dia tonga dia fantatra tamin’ny fomba fihazakazahany. Hoy i Davida: “Lehilahy tsara fanahy izy, ka tsy maintsy ho vaovao tsara no entiny.” Nolazain’i Ahimaza tokoa ny vaovao tsara, fa ny vaovao ratsy kosa no navelany holazain’ilay taoriany. (2Sa 18:19-32) Tsy fantatra raha lasa mpisoronabe i Ahimaza. Misy milaza fa maty talohan’ny rainy angamba izy, ka izay no nahatonga an’i Azaria zanany handimby an’i Zadoka.​—1Mp 4:2; 1Ta 6:8-10.

3. Vadin’i Basemata zanakavavin’i Solomona. Iray tamin’ireo lehibem-paritra 12 izay voatendry hamatsy sakafo ny mpanjaka sy ny tao an-dapany iray volana isan-taona izy, ka ny faritanin’i Naftaly no niandraiketany. (1Mp 4:7, 15) Misy mihevitra an’ity Ahimaza ity ho ilay No. 2 ihany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara