AY
(Ày) [Korontam-bato Miavosa].
Misy Baiboly miantso azy io hoe “Hay”, ka nataony tovona ny mpanoritra voafaritra, toy ny amin’ny teny hebreo ihany. (Kat., DIEM) Miseho amin’ny endriny milaza vavy hoe Aiata sy Aia koa io anarana io indraindray.—Is 10:28; Ne 11:31.
1. Tanànan’ny mpanjaka kananita. Io no tanàna faharoa azon’ny Israelita. “Teo akaikin’i Beti-avena, tany atsinanan’i Betela” i Ay, ary nisy lohasaha teo avarany. (Js 7:2; 8:11, 12) Toa teo atsimony i Mikmasy.—Is 10:28.
Nanangana tranolay i Abrahama, rehefa tonga kelikely tao Kanana, “ka i Betela no teo andrefany, ary Ay no teo atsinanany.” Nanorina alitara teo izy, ary nitsidika an’io toerana io indray taorian’ny diany tany Ejipta.—Ge 12:8; 13:3.
Nanafika an’i Ay ny Israelita tamin’ny 1473 T.K., rehefa resy i Jeriko. Miaramila 3000 teo ho eo monja no nanafika, satria nilaza ireo mpitsikilo fa “vitsy ry zareo” nonina tao. (Js 7:2, 3) Resy anefa ny Israely, satria nanota i Akana. (Js 7:4-15) Nalamina aloha ilay raharaha momba an’i Akana, izay i Josoa vao nanao tetikady hanafihana an’i Ay: Nasiany miaramila niafina tao andamosin’ilay tanàna, tao andrefana. Ry Josoa sy ny tafiny kosa vonona ny hanafika avy teo anoloana, ka nitoby teo anoloan’i Ay izany hoe teo amin’ny lohasaha na lemaka karakaina teo avaratr’ilay tanàna. Voafitaka ny mpanjakan’i Ay sy ny vatan-dehilahy tao, ka voatarik’i Josoa sy ny tafiny hiala tao an-tanàna. Rehefa lasa lavitra be izy ireo, dia nanao famantarana tamin’ireo miaramila niafina i Josoa. Nobaboin’ireo ilay tanàna ary nodorany. (Js 8:1-27) Novonoina ny mpanjakan’i Ay, ary “lasa dongon-tany [heb.: tel] mandritra ny fotoana tsy voafetra” ilay tanàna, “ary mbola aolo mandraka androany.”—Js 8:28.
Nonenana io tanàna io na ny nanodidina azy, tamin’ny andron’i Isaia, tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Nilaza ny faminaniana fa io no tanàna voalohany halain’ny mpanjakan’i Asyria rehefa hanafika an’i Jerosalema izy. (Is 10:28) Nisy Benjamita avy any Ay niara-nody tamin-dry Zerobabela, taorian’ny sesitany tany Babylona.—Ezr 2:28; Ne 7:32; 11:31.
Maro no milaza an’i Ay ho i Kirbet et-Tell (Horvat et-Tel). Mitovy amin’ny dikan’ny anaran’i Ay fahiny mantsy ny hoe et-Tel satria midika koa hoe “Dongon-tany; Korontam-bato Miavosa.” Any amin’ny 2,3 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Betela (Beitin ankehitriny) izy io. Nisy fikarohana natao anefa teo Kirbet et-Tell tamin’ny 1933-1935 sy tamin’ny 1964-1972. Hitan’ny mpikaroka fa tanàna lehibe rava tamin’ny taona 2000 T.K. tany ho any no teo, ka tsy nonenana indray raha tsy tamin’ny 1050 T.K. tany ho any (daty nomen’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany ireo). Noho izany, dia nanandrana nanova ny tantaran’i Ay ao amin’ny Baiboly ny mpikaroka. Milaza anefa ilay manam-pahaizana atao hoe J. Simons fa tsy i Ay mihitsy i Kirbet et-Tell noho ny antony maromaro: Tsy mitombina, ohatra, izany rehefa jerena ny haben’ny tanàna tao Kirbet et-Tell (Js 7:3), sady tsy misy lohasaha lehibe koa eo avarany (Js 8:11). (Gazety Amerikanina Momba ny Arkeolojia, Jolay-Septambra 1947, p. 311) Raha marina ireo daty nomen’ny mpikaroka ireo, dia tany an-toeran-kafa no nisy an’i Ay. Rehefa mitovy anarana ny tanàna fahiny sy ny toerana iray ankehitriny, dia tsy midika avy hatrany izany hoe teo no nisy an’ilay tanàna fahiny, satria izao no voalazan’i Atoa Frederic Kenyon: “Fahita any Palestina ny hoe lasa nitondra ny anaran’ny toerana efa rava na tsy nonenana intsony ny toerana iray teo akaikin’izy io.”—Ny Baiboly sy ny Arkeolojia, 1940, p. 190.
2. Tanàna tononina miaraka amin’i Hesbona ao amin’ny faminanian’i Jeremia momba izay hanjo ny Amonita. (Je 49:3) Tsy fantatra ny toerana nisy azy io.