SEBARIMA
(Sebarìma) [Toerana Famakiam-bato].
Toerana nanenjehan’ny mponin’i Ay an’ireo Israelita. Resy mantsy ny Israelita satria nanota i Akana. (Js 7:5) Ny hany fantatra momba an’i Sebarima dia hoe tany akaikin’i Ay izy io. Aleon’ny mpandika teny sasany mandika an’io teny hebreo io hoe “asa vato” na “famakiam-bato” toy izay hoe “Sebarima.”—BE; Le.