ARVADITA
(Arvadìta) [An’i Arvada].
Taranak’i Hama avy tamin’i Kanana, ary azo inoana fa nipetraka tany Arvada, nosy tsy lavitra ny morontsiraka avaratr’i Syria. (Ge 10:6, 15, 18; 1Ta 1:16) I Ezekiela ihany no mpanoratra hafa niresaka momba azy ireo. Nilaza izy fa tantsambo mahay izy ireo, sady miaramila mahery fo tao amin’ny tafik’i Tyro.—Ezk 27:8, 11.