FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fiakarana”
  • Fiakarana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiakarana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-19 — Salamo
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • “Avy Amin’i Jehovah no Ahazoako Fanampiana”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Salamo, Bokin’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fiakarana”

FIAKARANA

Nadika hoe “Fihirana fiakarana” (Prot.), “Hira misy hevitra ambaratonga” (JM), na hoe “Hira fiakarana” (TV) ny hoe Shir hammaʽalôht (heb.) izay teny mampiditra salamo 15 (Sl 120-134). I Davida no nanoratra ny efatra amin’izy ireo, ary i Solomona ny iray. Mbola iadian-kevitra ny tena dikan’io teny mampiditra io.

Ireo salamo 15 ireo, hoy ny lovantsofina jiosy fahiny (Mishnah, Middôt 2:5), no nohirain’ireo Levita izay niakatra zanatohatra 15, avy teo amin’ny Tokotanin’ny Vehivavy nankeo amin’ny Tokotanin’ny Israely tao an-tempolin’i Jerosalema. Tsy misy manaiky an’izany intsony anefa izao. Hira fiakarana kosa izy ireo, hoy ny sasany, satria avo lenta noho ny salamo hafa. Tsy mitombina anefa izany satria samy avy amin’ny fanahy masina ireo salamo. Nohirain’ny Israelita falifaly niakatra tany Jerosalema izay teny amin’ny tendrombohitr’i Joda kosa izy ireo, nandritra ny fety lehibe telo fanao isan-taona, hoy ny ankamaroan’ny mpivaofy teny. (De 12:5-7; 16:16; Sl 42:4; Is 30:29) ‘Niakatra’ (heb.: maʽalah) tany Jerosalema koa ny Israelita nody avy tany an-tsesitany tany Babylona. (Ezr 7:9) Toa faly tokoa ny Israelita niakatra tany Jerosalema, araka ny Salamo 122:1-4. Miresaka hevitra samihafa anefa ireo salamo hafa, ka mbola tsy tena hay ihany ny dikan’ilay teny mampiditra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara