FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Asyra”
  • Asyra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Asyra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanjakana Asyrianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Asyria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fizarana 2: Asyria lozabe: Herim-panjakana faharoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Asorima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Asyra”

ASYRA

(Asỳra).

1. Zanakalahin’i Sema ary ny anarany no voatonona faharoa ao amin’ny Genesisy 10:22 sy 1 Tantara 1:17. Izy no razamben’ny Asyrianina. Teny hebreo iray no nadika hoe “Asyra” sy “Asyria(nina).” Mety ho ilay firenena na tanàna lehibe iray tany Asyria ilay Asyra (Kalʽat Sherkat ankehitriny) ao amin’ny Ezekiela 27:23.

2. Ny andriamanitra lehibe indrindran’ny Asyrianina. Andriamanitry ny fahaizana miady izy io, ka taminy no nangataka fanampiana ilay firenena tia ady. Toa “loham-pianakaviana natao andriamanitra” i Asyra, ka i Asyra zanakalahin’i Sema sady razamben’ny Asyrianina no nivavahan’ilay firenena, raha ny marina, rehefa nankamasina an’io andriamanitra io izy ireo. Misy hoe Asyra ny anarana asyrianina maro, toy ny hoe Esara-hadona sy Asorobanipala.

Nino ny Asyrianina fa i Asyra no tena mpiaro azy, ary masoandro misy elatra no natao sariny. Nahazo alalana taminy (tamin’ny alalan’ny fambara) sy niantso ny anarany ny tafika asyrianina vao nandeha niady, ary nentiny tany an’ady ny famantarana azy io. Nilaza ny mpanjaka asyrianina fa “i Asyra no nanampy” azy handresy.​—Jereo SARY, Boky Faha-2, p. 529; ASYRIA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara