FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpamaly Ra”
  • Mpamaly Ra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpamaly Ra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Manavotra, Mpanavotra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Havana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hevero ho Sarobidy ny Aina Nomena Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpamaly Ra”

MPAMALY RA

Avy amin’ny teny hebreo hoe gôʼel haddam. Ny hoe gôʼel (ilazana ny mpamaly ra) kosa dia avy amin’ny hoe gaʼal, izay midika hoe “maka indray; mamonjy; mividy indray; manavotra.” (Jb 3:5; Sl 69:18; Le 25:25; Is 43:1; Sl 72:14) Ny lehilahy havana akaiky indrindran’izay novonoina no mpamaly ra, araka ny lalàna hebreo. (No 35:19) Ilazana havana nanan-jo hanavotra koa ny hoe gôʼel.​—Le 25:48, 49; Rt 2:20; jereo MANAVOTRA, MPANAVOTRA.

Mifototra amin’izao didy momba ny fahamasinan’ny ra sy ny ain’olona nolazain’i Jehovah tamin’i Noa izao ny hoe mamaly ra: ‘Hanao ampamoaka aho noho ny amin’ny ranareo. ... Raha misy olona mamono mahafaty ny rahalahiny, dia hataoko ampamoaka izy noho ny amin’ny ran’ny rahalahiny. Izay mandatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra araka ny endriny ny olona.’ (Ge 9:5, 6) Novonoin’ny “mpamaly ra” ho faty izay ninia namono olona, ary tsy nekena ny vidin’ny fanavotana azy.​—No 35:19-21, 31.

Hamaly ny ran’ny mpanompony rehetra tsy manan-tsiny sy tsy mivadika i Jehovah amin’ny fotoana voatondrony.​—De 32:43; Ap 6:9-11.

Ara-drariny ny lalàn’i Jehovah satria navahany ny hoe ninia namono olona na tsia. Nasiana tanàna fialokalofana handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho azon’ny mpamaly ra izy ireo. (No 35:6-29; De 19:2-13; Js 20:2-9) Notsaraina koa ny raharaha nahakasika fandatsahan-dra.​—De 17:8, 9; 2Ta 19:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara