HAVANA
Olona misy ifandraisana noho ny razambe iombonana na noho ny fanambadiana. Maromaro ny teny hebreo sy grika midika hoe havana, ka ireto avy izany:
Gôʼel (avy amin’ny teny heb. gaʼal midika hoe “manavotra” na “mividy indray”): Ilazana ny lehilahy havana akaiky indrindra, ka manan-jo ho mpanavotra na ho mpamaly ra. “Ny mpamaly ra” no tokony hamono an’izay ninia namono olona. (No 35:16-19) “Mpanavotra” an’i Naomy sy Rota i Boaza. (Rt 2:20; 3:9, 12, 13; 4:1, 3, 6, 8, 14) Mpamaly ny ratsy natao sady Mpanavotra ny mpanompony i Jehovah, ilay Ray na Mpanome aina.—Sl 78:35; Is 41:14; 43:14; 44:6, 24; 48:17; 54:5; 63:16; Je 50:34.
Sheʼer (teny heb. midika hoe “vatana”): Ilazana havana misy ra iraisana. Voararan’ny lalàn’Andriamanitra ny manao firaisana amin’ny olona “iray ra” amin’ny tena, anisan’izany ny nenitoa. (Le 18:6-13; 20:19) Afaka nanavotra an’izay Israelita nitrosa tamin’ny mpivahiny ny rahalahiny, na ny dadatoany, na ny zanak’olo-mpiray tam-po taminy, na izay “havany iray ra aminy.” (Le 25:47-49) Raha nisy Israelita maty nefa tsy nanan-janakalahy, dia ny zanany vavy, na ny rahalahiny, na ny dadatoany na izay havany akaiky indrindra no omena ny lovany.—No 27:10, 11.
Karôhv (teny heb. midika hoe “akaiky”): Ilazana ny havana akaiky sy ny namana akaiky koa. Raha lasa nahantra be ny olona iray ka voatery nivarotra ny fananany, dia izay “havany akaiky” no tsy maintsy nanavotra izany. (Le 25:25) Samy nanana ‘namana akaiky’ i Joba sy Davida. Samy nalahelo izy ireo satria ny naman’i Joba nandao azy, ary ny an’i Davida nihatakataka taminy.—Jb 19:14; Sl 38:11.
Yadaʽ (teny heb. midika hoe “mahalala”, “mahafantatra”): Azo ilazana havana na olom-pantatra fotsiny. Havan’i Naomy avy tamin’ny vadiny, ohatra, i Boaza. Naripak’i Jeho daholo ny ankohonan’i Ahaba sy ny “namany.”—Rt 2:1; 2Mp 10:11.
Syggenes (teny gr.): Ilazana mpihavana iray ra. Tsy ampiasaina mihitsy hilazana ray aman-dreny sy zanaka anefa izy io. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza tamin’ireo mpanara-dia azy hoe: “Hivadika aminareo hatramin’ny ray aman-dreninareo sy ny rahalahinareo sy ny havanareo [syggenôn] ary ny namanareo.” (Lk 21:16) Tsy hitan’ny ray aman-dreniny i Jesosy tamin’izy 12 taona ka lasa nitady azy tany amin’ny “havany” izy ireo. (Lk 2:44) Nilaza i Jesosy hoe raha manasa olona, dia tsara raha ny mahantra no asaina fa tsy ny ‘havana’ manan-kavaly. (Lk 14:12-14) Rehefa nitorian’i Petera momba ny vaovao tsaran’ny famonjena i Kornelio, dia nanatrika teo koa “ny havany.” (As 10:24) “Havako” no nilazan’i Paoly an’ireo Israelita sy ny olon-kafa maromaro, rehefa nanoratra ho an’ny Romanina izy.—Ro 9:3; 16:7, 11, 21.