AZNOTA-TABARA (Aznòta-tabàra). Tanàna na toerana teo amin’ny ilany atsimo amin’ny sisin-tanin’i Naftaly. (Js 19:32, 34) Voalaza fa mety ho tany Kirbet Omm Jebeil (Tel Govel), tokotokony ho 4,5 km any amin’ny ilany avaratry ny tampon’ny Tendrombohitra Tabara no nisy azy io.