BALA-GADA
(Bàla-gàda) [Tompon’i Gada (Tsara Vintana)].
Tanàna teo amin’ny lemak’i Libanona, teo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona, teo amin’ny ilany andrefana. Izy io no toerana farany avaratra azon’i Josoa tamin’ny fandresena ny tany Kanana, fa ny Tendrombohitra Halaka any Negeba kosa no tany amin’ny farany atsimo. (Js 11:17; 12:7; 13:5) Tsy fantatra ny tena toerana nisy an’i Bala-gada, nefa maro no milaza azy io ho i Hasbaiya any amin’ny Lohasaha Falehan-driaka et-Teim, na any akaikiny.