FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Bala-meona”
  • Bala-meona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bala-meona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Beti-bala-meona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Beti-meona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Beona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Bamota-bala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Bala-meona”

BALA-MEONA

(Bàla-meôna) [fanafohezana ny hoe Beti-bala-meona].

Tanàna nalaza teo amin’ny lembalemba tany amin’ny faritra avaratr’i Moaba. Nomena ny fokon’i Robena io tanàna io sy Nebo sy Kiriataima, ary ny tanàna hafa tao amin’ilay faritra. (No 32:37, 38; 1Ta 5:8) Tian’ny Robenita ilay faritra satria be kijana, ka naorin’izy ireo indray ny tanàna sasany sady novany ny anarany. Mety ho i Bala-meona ilay “Beona” ao amin’ny Nomery 32:3, 4. Nantsoin’i Josoa hoe Beti-bala-meona kosa izy io tatỳ aoriana, satria izany angamba no anarany feno.​—Js 13:17.

Toa lasan’ny Moabita indray i Bala-meona tamin’ny andron’i Mesa mpanjakan’i Moaba, tany amin’ny faramparan’ny taonjato fahafolo T.K. Milaza ilay Vato Moabita (andalana faha-9) fa “naorin’i [Mesa, na angamba nohamafisiny] i Bala-meona, ary nasiany fitoeran-drano tao.” I Beti-bala-meona no niantsoany an’ilay tanàna eo amin’ny andalana faha-30. Miresaka an’i “Bala avy ao Bala-meona” koa ny zavatra vita amin’ny tanimanga hita tany Samaria (Vakin-tanimanga Faha-27 tao Samaria).

Nampitandrina tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany Andriamanitra tamin’ny taonjato fahafito T.K., fa horobain’i Babylona i Moaba. Anisan’ny anaran-tanàna notononin’i Jeremia mihitsy aza i Beti-meona (azo inoana fa i Bala-meona). (Je 48:20-23) Nilaza koa i Ezekiela fa ho anisan’ireo tanàna moabita ho lasan’ny “Tatsinanana” i Bala-meona. (Ezk 25:9, 10) Manamarina ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo ny tantara sy ny zavatra hitan’ny mpikaroka.​—Jereo MOABA, MOABITA No. 2.

Misy mihevitra fa ny sisa tavela amin’i Maʽin no Bala-meona. Dongon-tany lehibe mirefy 6 km eo ho eo i Maʽin eo andrefana atsimoandrefan’i Medeba ary 12 km atsinanan’ny Ranomasina Maty. Mahatratra 800 m eo ho eo ny haavon’ilay lembalemba misy azy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara