FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Bera-lahai-roy”
  • Bera-lahai-roy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bera-lahai-roy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Bareda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hagara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kadesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Rebeka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Bera-lahai-roy”

BERA-LAHAI-ROY

(Bèra-lahài-ròy) [Lavadranon’ilay Velona Mahita Ahy].

Nandositra an’i Saray tompovaviny i Hagara ejipsianina satria tezitra taminy i Saray. Nanaraka ny “lalana mankany Sora”, izay nandalo an’i Negeba sy nidina tany Ejipta, i Hagara. Rehefa tonga teo amin’ny loharano (heb., ‘aiyin) iray anefa izy, dia nisy anjely nanome toky azy sy nampirisika azy hiverina tany amin’ny tompovaviny, ary nilaza ny hahaterahan’i Ismaela (midika hoe “Mandre (Mihaino) Andriamanitra”). Nilaza momba ny hoavin’ilay zaza koa ilay anjely. Nantsoina hoe “Bera-lahai-roy” àry ilay lavadrano satria hoy i Hagara momba an’i Jehovah: “Andriamanitra mahita ianao.”​—Ge 16:7-14.

Niverina avy tany amin’ny “lalana mankany Bera-lahai-roy” any Negeba i Isaka, tatỳ aoriana, ka nahatazana rameva maromaro nitondra an’ilay ho vadiny, izany hoe i Rebeka. (Ge 24:62, 63) Nonina “teny akaikin’i Bera-lahai-roy” i Isaka, taorian’ny nahafatesan’i Abrahama.​—Ge 25:11.

Voalaza fa “eo anelanelan’i Kadesy sy Bareda” i Bera-lahai-roy. (Ge 16:14) Voalazan’ny lovantsofin’ireo Arabo mpifindrafindra monina fa i Bera-lahai-roy dia i ʽAin Moveilih, any amin’ny 19 km eo ho eo any avaratrandrefan’i ʽAin Kedeis (toerana inoana fa nisy an’i Kadesi-barnea). Tsy fantatra anefa ny tena toerana nisy an’i Bera-lahai-roy satria tsy misy fomba amantarana mazava tsara an’i Bareda.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara