BETI-DIBLATAIMA
(Beti-diblàtaima) [Tranon’i Diblataima].
Tanàna tany Moaba (Je 48:22), saingy tsy hay hoe taiza marina no nisy azy. Mety ho ilay toerana antsoina hoe Almona-diblataima ao amin’ny Nomery 33:46 anefa izy io. Milaza ilay Vato Moabita fa nanorina tanàna atao hoe Beti-diblatena i Mesa, mpanjakan’i Moaba.