Ilay vato Moabita — Potika nefa tsy very
NINIANA novakina ilay vato moabita na ny Vaton’i Mesa, tsy ampy herintaona taorian’ny nahitana azy tamin’ny 1868. Efa ho 3000 taona no naharetany. Io vongana bazalta mainty malambolambo io izay boribory tsara ny tampony, dia mahatratra 112 santimetatra ny haavony, 71 santimetatra ny hateviny. Fotoana fohy taorian’ny nahavakiany, dia hita indray ny vakiny 2 lehibe ary vakiny 18 kely kokoa, fa ny ampahatelony amin’ilay vato kosa dia very tsy hita intsony.
Amin’ny ahoana ny zavatra miavaka toy izany no saika nanjavona mandrakizay? Ary toy inona ny hasarobidiny ho an’ny mpianatra ny Baiboly?
Teti-dratsy sy tsy fatokiana
I Atoa. F. A. Klein no Eorôpeana voalohany sady farany nahita ilay vato fony izy mbola tsy vaky. Nandry teo amin’ireo sisan-javatra ravan’i Dibon tany avaratra atsinanan’ny Ranomasina Maty izy io. Nanao sary tsotsotra sady haingana no fohy ny amin’ny ampahany amin’ireo andalan-tsoratra 34 tao anatin’ny sisiny voafaritra izy, ary rehefa tafaverina tany Jerosalema dia nambarany tamin’ilay lehibeny prosiana izay hitany. Avy hatrany dia fantatra fa soratra fenisiana ilay izy, ary nekena ny maha-zava-dehibe azy. Nanolotra vola hividianana ilay vato ny Trano fitahirizana ny rakitry ny elan’andriana any Berlin, nefa tsy ela dia nisy mpividy hafa niady ny hahazoana azy. Rehefa takatr’ireo filoham-poko teo an-toerana ny hasarobidin’ilay zavatra azony, dia nafeniny ilay izy ary nasondrony avo be ny vidiny.
Nahavita naka dian’ilay soratra teo amin’ny taratasy ny arkeology frantsay iray, nefa noho ilay izy nesorina faingana talohan’ny nahamaina azy dia zara raha azo novakina ilay soratra. Tamin’izany fotoana izany ihany, dia nandefa teny nidina tamin’ireo Arabo mpifindrafindra monina any an’efitra i Damaskosy mba hanolotra ilay vatony amin’ireo manam-pahefam-panjakana. Toy izay hanaiky izany, dia tapa-kevitra ny hanapotika azy ireo Arabo mponina any an’efitra ireo. Noho izany dia namelona afo nanodidina ilay rakitry ny ela sarobidy izy ireo ary notondrahany rano imbetsaka izany. Rehefa niparasaka ilay vato dia nozarainy faingana tamin’ireo fianakaviana teo an-toerana ny potipotiny mba hapetrany any an-tsompitra, noho ny fikendrena ny hahazoan’ny vokatry ny taniny fitahiana. Izany koa no fomba tsara indrindra ho an’ny isam-batan’olona mba hifampiraharahana manokana amin’ny fivarotana ireo potipotiny niparitaka.
Manamarina ny fitantaran’ny Baiboly
Noho ny fanampiana azo avy amin’ny platira natao lasitra sy ny fanontana tamin’ny taratasy mba hamenoana an’ireo tapatapany novidina, dia azo tamin’ny farany ireo soratra tamin’ilay vato. Rehefa niharihary ny lahatsoratra manontolo, dia talanjona ireo manam-pahaizana. Tamin’izay, ilay vato tranainy dia nolazalazaina ho “ny vaingam-bato tokana miavaka indrindra amin’izay rehetra hita hatramin’izay”.
Nanangana ny Vato moabita ho an’i Kemosy andriamaniny i Mesa mpanjakan’i Moaba, ho fahatsiarovana ny fandreseny ny fanapahan’ny Isiraely. Navelan’i Kemosy haharitra 40 taona izany, hoy izy, noho izy “tezitra tamin’ny taniny”. Mazàna io fikomian’i Moaba io dia heverina fa mifandray amin’ny fisehoan-javatra ao amin’ny toko fahatelo amin’ny 2 Mpanjaka. Eo amin’ilay tsangambato, dia mihambo ho mpivavaka be, sy nanorina tanàna sy lalana lehibe, ho nahazo fandresena tamin’ny Isiraely, i Mesa. Tamin’izany rehetra izany dia i Kemosy no nomeny voninahitra. Araka ny azo anampoizana azy, dia tsy natao tao amin’io soratra nandokafan-tena io ny faharesen’i Mesa sy ny namonoana ny zanany — voatantara ao amin’ny Baiboly.
Toerana maro voatanisan’i Mesa ho voababony no voatonona ao amin’ny Baiboly, anisan’izany i Medeba, Aratota, Nebo, ary Jahaza. Manohana ny fahamarinan’ny fitantaran’ny Baiboly àry ilay vato. Miavaka indrindra anefa ny fampiasan’i Mesa ny “Tétragramme” YHWH, anaran’ny Andriamanitry ny Isiraely, eo amin’ny andalan-tsoratra faha-18 amin’ny fitantarana. Teo i Mesa dia nandoka tena nanao hoe: “Nalaiko avy tany [Nebo] ny [fitoeran-drano] an’i Yahweh, ary notaritiko teo anatrehan’i Kemosy izany. Ivelan’ny Baiboly, dia io angamba no fitantarana tranainy indrindra nampiasa ny anaran’Andriamanitra.
Voaverina tamin’ny laoniny ilay Vato moabita tamin’ny 1873, noho ny platira natao lasitra ho an’ireo soratra very ka nampiana, ary naseho ao amin’ny Fitahirizana ny rakitry ny ela any Louvre, any Paris, izay mbola itoerany hatramin’izao. Azo atao ny mahita ny sary nalain-tahaka ny aminy avy amin’ny British Museum any Londres.
[Sary, pejy 31]
(Etsy ambony) Ny tanin’i Moaba
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
(Eo ankavia) Ny Vato Moabita namboarina indray
[Sary nahazoan-dalana]
Fitahirizana ny rakity ny ela any Louvre, Paris
(Eo ankavanana) Ny “Tétragramme” araka ny isehoany eo amin’ilay tsangambato