BETI-GAMOLA
(Beti-gamòla) [Tranon’ilay Nosarahi-nono (na Ilay Nahazo ny Sahaza Azy)].
Tanàna voatonona ao amin’ilay fanamelohan’i Jehovah an’i Moaba. Miara-voatonona amin’i Dibona sy ny tanàna teny amin’ny ‘tany lemak’i’ Moaba izy io. (Je 48:21, 23) Maro no mihevitra azy io ho i Jomaiyil, eny amin’ny lembalemban’i Moaba, 13 km eo ho eo atsinanan’i Dibona (Dhiban). Avaratra kelin’i Arnona io lembalemba io, izay hita fa nisy tanimboly be dia be fahiny.