FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Beti-harana”
  • Beti-harana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Beti-harana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Beti-nimra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Beti-peora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Gadita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Heroda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Beti-harana”

BETI-HARANA

(Bèti-haràna), Beti-harama (Bèti-haràma).

Tanàna tany amin’ny faritra atsinanan’i Jordana. Nangatahan’ny fokon’i Gada ny faritra nisy an’io tanàna io satria tsara ny kijana tany. Naorin’ny Gadita na naverin’izy ireo naorina indray izy io ka lasa anisan’ny tanàna voaro mafy na dia teny amin’ny lemaka iva aza.​—No 32:1, 34, 36; Js 13:27.

Toa mbola ahitana an’ilay anarana ao amin’ny hoe Tell er-Rame any amin’ny Lohasaha Falehan-driaka er-Rame (Lohasaha Falehan-driaka Hosbana) any amin’ny Lemak’i Moaba. Voalaza anefa fa ny toerana nisy an’i Beti-harana (Beti-harama) fahiny dia tao Tell Iktano, tokony ho 13 km any atsinanana avaratratsinanan’ny toerana ivarinan’i Jordana mankao amin’ny Ranomasina Maty. Tany akaikin’ny toerana nalaza nisy loharano mafana no nisy azy io. Mety ho io lazany io no nahatonga an’i Heroda Mpanjaka hanorina lapa teny amin’iny faritra iny. Livias no anarana nomen’i Heroda Antipasy an’i Tell er-Rame, tany am-piandohan’ny taonjato voalohany, fa lasa Julias ny anarany tatỳ aoriana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara