FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Beti-horona”
  • Beti-horona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Beti-horona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Horonita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Sera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ozena-sera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kiriata-bala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Beti-horona”

BETI-HORONA

(Beti-hôrôna).

Tanàna roa: Beti-horona Ambony sy Beti-horona Ambany, teo amin’ny lalana fahiny niainga tao Jopa sy ny lemaka amoron-tsiraka, ary niakatra ny Lohasahan’i Aialona ka nankany Betela na nankany Gibeona sy Jerosalema. Misy tanàna kely maoderina any amin’ireo toerana roa an-tampon-kavoana ireo ankehitriny: I Beit ʽOur el Faouqa (Bet Horon ʽElyon) ilay ambony ary Beit ʽOur et Tahta (Bet Horon Tahton) ilay ambany. Tokotokony ho 16 km any avaratrandrefan’i Jerosalema i Beti-horona Ambony, ary i Beti-horona Ambany kosa any amin’ny 2,5 km any andrefana avaratrandrefan’i Beti-horona Ambony.

Voalaza fa i Sera zanakavavin’i Efraima na zafikeliny no nanorina an’ireo tanàna ireo tany am-boalohany. (1Ta 7:22-24) Na dia voalaza aza fa tonga hatreo “amin’ilay tendrombohitra eo atsimon’i Beti-horona Ambany” ny sisin-tanin’ny fokon’i Benjamina (Js 18:13, 14), dia teo amin’ny ilany atsimo tamin’ny sisin-tanin’ny fokon’i Efraima no nisy an’ireo tanànan’i Beti-horona ireo. (Js 16:3, 5) Anisan’ny lovan’i Efraima àry ireo tanàna roa ireo. Nomena ho an’ny Levita taranak’i Kehata i Beti-horona tatỳ aoriana, angamba ny iray taminy ihany.​—Js 21:20, 22; 1Ta 6:68.

Nandalo teo amin’ireo tanàna an-tampon-kavoana ireo ny lalambe avy any amin’ny lemaka amoron-tsiraka ka matetika no tazana avy teo amin’ireo tanàna ireo ny miaramila handeha hanafika. “Nenjehin’ny Israely tany amin’ny lalana mankany amin’ny fiakarana ao Beti-horona”, ohatra, ireo mpanjaka amorita dimy niara-nanafika an’i Gibeona, rehefa resin’i Josoa. Nandatsaka havandra vaventy i Jehovah tamin’izay, ka namono ny ankamaroan’ny Amorita izay nandositra nanaraka ny ‘fidinana tao Beti-horona.’ (Js 10:6-12) Misy mihevitra fa ilay fidinana avy eo Beti-horona Ambony mankany Beti-horona Ambany ilay “fidinana ao Beti-horona”, satria mihoatra 240 m eo ho eo ny haavon’i Beti-horona Ambony raha oharina amin’i Beti-horona Ambany.

Iray tamin’ireo lalana telo narahin’ireo Filistinina mpandroba avy any Mikmasy “ny lalan’i Beti-horona”, tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 13:16-18) Nanorina na nanamafy an’ireo tanàna ireo i Solomona Mpanjaka, ka nanisy manda sy vavahady misy bara hidiny, mba hanakanana an’ireo mpanafika avy tany Ejipta na avy tany Filistia. (2Ta 8:5) Nilaza i Sisaka mpanjakan’i Ejipta fa anisan’ny tanàna azony na nofeheziny i “Beti-horona” rehefa nanafika an’i Joda izy tamin’ny andron’i Rehoboama. (1Mp 14:25; 2Ta 12:2-9) Talohan’ny hiadian’i Amazia mpanjakan’ny Joda tamin’ny Edomita, dia nalefany nody ireo mpikarama an’ady efraimita avy tamin’ny fanjakana tany avaratra izay nanana an’i Samaria ho renivohitra. Tezitra be àry ireo miaramila ireo ka notafihiny ny tanànan’i Joda maromaro hatrany Beti-horona.​—2Ta 25:5-13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara