BETI-MARKABOTA
(Bèti-markabòta) [Tranon’ny Kalesy].
Anisan’ny tanànan’i Simeona tafiditra tao amin’ny tanin’ny fokon’i Joda. (Js 19:1, 5; 1Ta 4:31) Madmana fa tsy Beti-markabota anefa no hita ao amin’ny Josoa 15:31, izay andininy ahitana koa an’ireo tanàna nomena ho an’i Joda tany am-boalohany. Raha i Madmana ihany no Beti-markabota, dia taiza no nisy azy io? Toa teo amin’ny lalambe avy any Beri-sheba mankany Jerosalema sy mankany an-toeran-kafa tany avaratra. Mety ho anarana hafa niantsoana an’i Madmana àry ny hoe Beti-markabota. Tanàna voatanisa aorian’i Beti-markabota i Hazara-sosa (na Hazara-sosima), izay midika hoe “Tokotanin’ny (Tanàna Kelin’ny) Soavalivavy (na Soavaly).” Misy milaza fa fitobian’ny soavaly sy kalesy nivezivezy tany Palestina sy Ejipta fahiny ireo tanàna ireo. Fitondra miady koa ireo kalesy (Mpts 1:19), ka mety ho tanàna voaro mafin’ny Kananita i Beti-markabota. Mety ho avy tao àry no niainga ireo kalesin’ady fitondra miady rehefa hankany amin’ny lemak’i Beri-sheba.—Jereo MADMANA No. 2.