HAZARA-SOSA
(Hazàra-sòsa) [Tokotanin’ny (Tanàna Kelin’ny) Soavalivavy].
Tanàna simeonita tafiditra tao amin’ny faritanin’i Joda tany amin’ny faritra atsimo (Js 19:1, 2, 5), ary antsoina koa hoe Hazara-sosima. (1Ta 4:31) “Sansana” fa tsy Hazara-sosa no ao amin’ny lisitra hafa iray misy an’ireo tanàna nomena ny fokon’i Joda tany am-boalohany. (Js 15:21, 31) Misy mihevitra hoe tanàna samy hafa i Sansana sy Hazara-sosa. Milaza izy ireo fa tany avaratra avaratratsinanan’i Beri-sheba no nisy an’i Sansana, ary i Hazara-sosa kosa tokotokony ho 26 km tany andrefan’i Beri-sheba tany Sbalat Abou Susein akaikin’ny Lemak’i Filistia. Maromaro anefa ny manam-pahaizana mihevitra fa mety ho anarana hafa niantsoana an’i Sansana fotsiny ny hoe Hazara-sosa. Toa natao hilazana ny fomba nampiasana ilay toerana mantsy ny dikan’ny hoe Hazara-sosa. Raha iray ihany ireo tanàna ireo, dia misy milaza an’i Hazara-sosa ho i Kirbet esh-Shamsaniyat. Any avaratra avaratratsinanan’i Beri-sheba no misy azy io, any akaikin’ny toerana voalaza fa nisy an’i Madmana (mety ho i Beti-markabota ihany) izay voatonona eo alohan’i Hazara-sosa (na Hazara-sosima, na Sansana) ao amin’ireo andinin-teny etsy aloha.—Jereo BETI-MARKABOTA.