BETIFAGA
(Betifàga) [avy amin’ny teny heb., ary mety hidika hoe “Tranon’ny Aviavy Vokatra Voalohany”].
Toerana nandalovan’i Jesosy tamin’izy nitaingina ampondra ka niditra toy ny mpandresy tao Jerosalema, tamin’ny 9 Nisana taona 33. Voalaza fa tao Betifaga izy no naniraka ny mpianany haka an’ilay ampondra. (Mt 21:1, 2; Mr 11:1, 2; Lk 19:29, 30) Asehon’ireo andininy ireo fa teo amin’ny Tendrombohitra Oliva no nisy azy io, tany akaikin’i Jerosalema sy tany akaikin’i Betania. Misy mihevitra ny toerana nisy an’i Betifaga ho tao Abou Dis ankehitriny, eo ampitan’ilay hadivory eo atsimoatsinanan’i Betania. Nolazain’ny olona efa hatramin’ny ela anefa fa tao et-Tor, eo anelanelan’i Betania sy Jerosalema, eo amin’ny ilany atsimoatsinanana amin’ny Tendrombohitra Oliva, no nisy an’i Betifaga. Tena akaikin’ny tendron’ny Tendrombohitra Oliva mantsy io toerana io, ka rehefa midina avy eny, dia tazana ny tanànan’i Jerosalema iray manontolo.—Ampit. Lk 19:37, 41.
Milaza ny Talmoda fa hatrany Betifaga no farany azon’izay tao Jerosalema naleha tamin’ny andro sabata.—Talmoda babylonianina, Menahôt 78b; ampit. As 1:12 f.a.p.