FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb17 Desambra p. 5
  • Zava-baovao Amin’ny Fivoriana Andavanandro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zava-baovao Amin’ny Fivoriana Andavanandro
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Betifaga
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Oliva, Tendrombohitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Betania
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Moa ve Ianao Hamono Lahin-jiro Manetona Iray?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
mwb17 Desambra p. 5
Ny Filazantsaran’i Matio ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, Baiboly fianarana ao amin’ny Internet

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Zava-baovao Amin’ny Fivoriana Andavanandro

Hisy zava-baovao manomboka ny Janoary 2018. Hampiasaina amin’ny fivoriana andavanandro ilay hoe fanazavana sy ilay hoe sary sy video ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, Baiboly fianarana (nwtsty) ao amin’ny Internet, na dia mbola tsy misy amin’ny teny malagasy aza ilay Baiboly fianarana. Azo antoka fa hanatsara ny fanomananao fivoriana ireny fanazavana ireny. Enga anie izany ka hanampy anao ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay Ray be fitiavana!

FANAZAVANA

Manome fanazavana bebe kokoa momba ny fomba fiaina, toerana, ary teny resahin’ny andinin-teny maro.

Matio 12:20

Lahin-jiro manetroka: Tavin-jiro kely tanimanga nofenoina menak’oliva no fampiasan’ny olona fahiny. Lahin-jiro rongony no mitroka an’ilay menaka mba hirehetan’ilay afo. Manetroka ilay lahin-jiro satria efa ho faty ilay afo. Izany no tiana holazaina amin’ilay teny grika nadika hoe “lahin-jiro manetroka.” Nilaza mialoha ny Isaia 42:3 fa hangoraka i Jesosy rehefa tonga etỳ an-tany. Tsy havelany ho faty na ho lefy mihitsy mantsy na dia ny fanantenana kely ananan’ireo manetry tena sy voahosihosy aza.

Matio 26:13

Marina tokoa: Ny teny grika hoe amen dia avy amin’ny teny hebreo hoe ʼamen, izay midika hoe “ho tanteraka anie izany” na “izany tokoa anie.” Matetika i Jesosy no nampiasa an’io teny io rehefa hilaza zava-misy, na fampanantenana, na faminaniana. Nohamafisiny àry fa tena marina sy azo itokisana ny teniny. Voalaza fa ao amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara ihany no ahitana an’io teny io ao amin’ny Baiboly. Tsy misy azy io koa ao amin’ny boky ara-pivavahana. Hita ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona fa nadika hoe “marina dia marina tokoa” ilay tenin’i Jesosy rehefa niverina indroa.—Jn 1:51.

SARY SY VIDEO

Sary, kisary, video tsy misy feo, ary video manazava ny tsipiriany samihafa ao amin’ny Baiboly.

Betifaga, Tendrombohitra Oliva, ary Jerosalema

Aseho ao amin’io video fohy io ny lalana mankany Jerosalema avy atỳ atsinanana, manomboka eo amin’ilay tanàna atao hoe et-Tor (angamba ilay Betifaga resahin’ny Baiboly) ka hatrany amin’ny tampony iray amin’ny Tendrombohitra Oliva. Eo atsinanan’i Betifaga no misy an’i Betania, eo amin’ny ilany atsinanana amin’ny Tendrombohitra Oliva. Matetika i Jesosy sy ny mpianany no natory tao Betania, tamin’izy ireo tany Jerosalema. Ny tanànan’i el-ʽAzariyeh (El ʽEizariya), anarana arabo midika hoe “Ilay Toerana Nisy An’i Lazarosy”, izao no eo amin’ilay toerana nisy an’i Betania. Azo antoka fa nijanona tao amin-dry Maria sy Marta ary Lazarosy i Jesosy. (Mt 21:17; Mr 11:11; Lk 21:37; Jn 11:1) Mety ho nanaraka lalana mitovy amin’ny asehon’ilay video ry Jesosy rehefa niala tao amin-dry zareo ka ho any Jerosalema. Nitaingina ampondra namakivaky ny Tendrombohitra Oliva i Jesosy, tamin’ny 9 Nisana taona 33. Mety ho niainga avy tao Betifaga izy tamin’izay ary nizotra nankany Jerosalema.

Lalana mety ho nandehanan’i Jesosy avy any Betania mankany Jerosalema
  1. Lalana avy eo Betania mankany Betifaga

  2. Betifaga

  3. Tendrombohitra Oliva

  4. Lohasahan’i Kidrona

  5. Tendrombohitra nisy ny tempoly

Fantsika eo Amin’ny Taolan’ny Voditongotra

Taolana voditongotra iray nofantsihana

Nahitana taolana voditongotra iray nofantsihana tamin’ny fantsika vy 11,5 santimetatra, tao amin’ny fasana tany avaratratsinanan’i Jerosalema, tamin’ny 1968. Efa tamin’ny andron’ny Romanina ilay izy, ary mitovitovy amin’io hita amin’ny sary io. Mety ho nampiasaina fahiny àry ny fantsika mba hampiraikitra ny olona eo amin’ny hazo rehefa hovonoina izy. Mety ho hoatran’io ny fantsika nampiasain’ny miaramila romanina hamantsihana an’i Jesosy Kristy. Tao anaty vata vato no nahitana an’ilay taolana. Nataon’ny olona fahiny tao amin’izy ireny ireo taolam-paty efa maina. Midika izany fa mety ho nalevina ihany ny olona nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo.—Mt 27:35.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara