FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Bezeka”
  • Bezeka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bezeka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Adoni-bezeka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Simeona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Jabesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nahatanteraka ny Fanirian’ny Fony Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Bezeka”

BEZEKA

(Bezèka).

1. Toerana nandresen’ny fokon’i Joda sy Simeona an’ireo miaramila kananita sy perizita 10 000 notarihin’i Adoni-bezeka. (Mpts 1:3-7) Misy milaza an’io Bezeka io ho ilay resahin’ny 1 Samoela 11:8 (No. 2 etsy ambany), tany amin’ny farany avaratra raha oharina amin’i Jerosalema sy ny tanin’i Joda sy Simeona. Raha marina izany dia tsy maintsy ho niainga avy tany atsimo i Adoni-bezeka mba hiaraka tamin’ny tafiky ny Kananita. Nifanena tamin’i Joda sy Simeona anefa izy ka nenjehin’izy ireo nianavaratra hatrany Bezeka, ary resy tany. Toa tany akaikikaikin’i Jerosalema anefa no nisy an’i Bezeka, raha jerena ilay fitantarana. Mety ho tany amin’ny faritr’i Sefela tany Kirbet Bezka, tokotokony ho 5 km tany avaratratsinanan’i Gazera àry no nisy an’i Bezeka tanànan’i Adoni-bezeka.

2. Toerana namorian’i Saoly ny zanak’Israely sy Joda mba hiady tamin’ireo Amonita nitoby hamely an’i Jabesy any Gileada. (1Sa 11:8-11) Lalana tsy ampy indray alina avy eo Jabesy i Bezeka, ka izany no manamarina fa tena tao Kirbet Ibzika, 21 km any avaratratsinanan’i Sekema no nisy an’i Bezeka. Misy tendrombohitra eo andrefan’i Kirbet Ibzika, ary 713 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina izy io, ka toa mety tsara mba hamorian’i Saoly ny tafiny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara