BEZERA
(Bezèra).
1. [mety hidika hoe Metaly Sarobidy Mbola Tsy Voadio]. Iray amin’ny “zanakalahin’i Zofa” anisan’ny fokon’i Asera.—1Ta 7:30, 36, 37.
2. [Toerana Sarotra Aleha]. Tanànan’ny Levita, anisan’ireo tanàna fialokalofana telo tany atsinanan’i Jordana. An’ny fokon’i Robena izy io tany am-boalohany. (De 4:41-43; Js 20:8; 21:36; 1Ta 6:78) Voalaza fa teny “amin’ny lembalemba” no nisy azy, “tany akaikin’i Jeriko, tany atsinanan’i Jordana ... any an-tany efitra.” Maro no mihevitra azy io ho i Omm el-ʽAmad ankehitriny, any amin’ny lembalemba 19 km any atsimon’i Raba (any Amona). Lazain’ny Vato Moabita fa anisan’ny tanàna azon’i Mesa mpanjakan’i Moaba sy nohamafisiny i Bezera tamin’i Mesa nikomy tamin’ny Israely, rehefa maty i Ahaba Mpanjaka, tamin’ny taona 920 T.K.—2Mp 3:5.