BILDADA
(Bildàda).
Iray tamin’izy telo lahy naman’i Joba. Lazaina hoe sohita izy, satria taranak’i Soaha, zanak’i Abrahama tamin’i Ketora. (Jb 2:11; Ge 25:2; 1Ta 1:32) I Bildada no niteny faharoa tamin’ireo adihevitra intelo nisesy. Tamin’ny ankapobeny, dia nitovitovy tamin’izay nolazain’i Elifaza ihany ny zavatra nolazainy, saingy fohy kokoa ny teniny sady nanindrona kokoa, na dia tsy tena hoatran’ny tenin’i Zofara aza. I Bildada no voalohany niampanga an’ireo zanak’i Joba hoe nanao ratsy. Ara-dalàna, hoy izy, raha niharan-doza izy ireo. Izao no ohatra nampiasainy: “Izay rehetra manadino an’Andriamanitra” dia toy ny zozoro sy bararata tsy azon-drano ka maina sy maty. Marina izany, raha ilay ohatra fotsiny no jerena. Tena tsy mety anefa ny nampiharany an’ilay izy tamin’i Joba, satria i Joba natahotra an’Andriamanitra. (Jb 8) Diso hevitra toa an’i Elifaza i Bildada ka nilaza fa loza mpahazo ny ratsy fanahy no nanjo an’i Joba. Te hilaza izy hoe “tsy hanan-janaka na taranaka” i Joba, satria ratsy fanahy. (Jb 18) Niteny fanintelony i Bildada, ary izay no namarana ny teny “fampiononana” nolazain’izy telo lahy naman’i Joba. Fohy ny teniny tamin’izay, ary nanazava izy fa “olitra” sy “kankana” ny olombelona, ka maloto eo anatrehan’Andriamanitra. (Jb 25) Nasain’Andriamanitra nanolotra fanatitra dorana i Bildada sy izy roa lahy namany, tamin’ny farany, ary nasainy nivavaka ho azy ireo i Joba.—Jb 42:7-9.