BOKY, II
(Bòky) [fanafohezana ny hoe Bokia].
1. Mpiadidy teo amin’ny fokon’i Dana. Notendren’i Jehovah hanampy izy rehefa nozaraina tamin’ireo fokon’ny Israely ny Tany Nampanantenaina. Zanak’i Jogly izy.—No 34:16-18, 22.
2. Taranak’i Arona avy tamin’i Eleazara sy avy tamin’i Finehasa. Razamben’i Ezra izy. (1Ta 6:4, 5, 50, 51; Ezr 7:1-6) Toa nisy fotoana nanaovany ny asan’ny mpisoronabe, tamin’ny andron’ireo Mpitsara.