TRANOM-BORONA, VATA MAKARAKARA
Zavatra mifefy fametrahana vorona na biby hafa. (Je 5:27; ampit. Am 8:1, 2: Hita ao koa ny hoe kelov [heb.] nadika hoe “harona.”) I Zedekia mpanjakan’ny Joda ilay nolazain’i Ezekiela mpaminany fa liona natao anaty vata makarakara (heb.: sogar), izay nentina nankany amin’ny mpanjakan’i Babylona.—Ezk 19:9; ampit. Ezk 12:13; 17:20; 2Mp 25:5-7.